Voatendry ho Governoran’ny faritr’Analamanga i Hery Rasoamaromaka

25 Sep 2019

Nolaniana anio ny didim-panjakana mametra sy mandamina ny anjara andraikitry ny Governoran’ny faritra. Ao amin’ny andininy voalohany dia mamaritra fa hapetraka hiantsoroka ny fahefana mpanatanteraka any amin’ny faritra, amin’ny maha-vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy, ny lehiben’ny faritra antsoina hoe “governora”. Izy no hiandraikitra ny asa fampandrosoana isam-paritra, araka ny lalàna manan-kery.

Araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika tao anaty velirano dia fanomezana fahefana bebe kokoa ny any amin’ny faritra no tanjona. Satria tsy hary hahalala ny olana ifotony ny aty amin’ny fanjakana foibe, ka mba hisorohana ny fampandrosoana mitanila dia tokony omena erijika mitovy avokoa ny faritra rehetra, mba tsy hisy intsony ny faritra hadino na ho lavitr’andriana. Ao anatin’izany indrindra dia nanapa-kevitra ny filan-kevitry ny ministra fa raha vao voatendry ny governora rehetra dia omena 1 miliara Ariary isam-paritra hanaovany asa maika tahaka ny lalàna rary vato, ny tsena, sy ny fotodrafitrasa tena ilain’ny mponina andavanandro, ao anatin’ny telo volana.

Araka ny andininy faha-58 ao anatin’ny lalàna 2014-020 momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia ny lehiben’ny faritra, izay antsoina manomboka izao hoe governora no manomana sy manolotra drafi-pampandrosoana isam-paritra izay hampidirina ao anatin’ny programa fampiasam-bolam-panjakana (PIP).

Voatendry ho Governoran’ny faritra ireto manaraka ireto :
• Governoran’ny faritr’i Sava : Atoa TOKELY Justin
• Governoran’ny faritr’i Menabe : Atoa RANDRIANTSOA Mong Wai Tune Serge Lucky
• Governoran’ny faritr’Anosy : Atoa HATREFINDRAZANA Jerry
• Governoran’ny faritr’Androy : Atoa SOJA TSIMANDILATSE Lahimaro
• Governoran’ny faritr’Atsimo Andrefana : Atoa TOVONDRAINY Andriantsitohaina Ranëlson Edaily
• Governoran’ny faritr’Alaotra Mangoro : Atoa RAMANDEHAMANANA Richard
• Governoran’ny faritr’ANALAMANGA : Atoa RASOMAROMAKA Herilalaniaina
• Governoran’ny faritr’Itasy : Atoa ANDRIAMANANA Solofonirina Maherizo
• Governoran’ny faritr’i Matsiatra Ambony : Atoa RAZAFINDRAFITO Lova Narivelo
• Governoran’ny faritra Atsinanana : Atoa MAHAFAKY Justin
• Governoran’ny faritr’i Sofia : Lylyson René de Rolland Urbain