Velan-kevitry ny CREM teny amin’ny Antenimierandoholona

13 May 2020

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teto amin’ny Antenimierandoholona   ireo solontenan’ny Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar (CREM)  eto  Madagasikara  androany Alarobia   13 may 2020. Famelabelaran-kevitra niompana indrindra tamin’ny fampahafantarana ireo paikady entina hanarenana  ny toekarena eto Madagasikara  aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao.

Nambaran’Andriamatoa Profesora RAKOTO David Olive Niaina  mpikambana ao amin’ny CREM, nandritra ny famelabelarana izay noentina, fa mba hiadiana amin’ny fahantrana sy mba hampihenana ny tahan’ny fahantrana eto amin’ny firenena, izay miankina be indrindra amin’ny lafiny ara-bola, dia tokony hampitomboina ny famokarana mba hampitombo ny tahan’ny fanjifana ka hampiakatra ny  vola miditra eo amin’ny fanjakana. Ilaina ihany koa hoy izy ny famoronana vola mba   hirosoana any amin’ny fahaleovantena ara-bola ka hahafahana mampandroso  tsara ny firenena. Nohamafisiny ihany koa fa misedra olana lehibe tokoa ireo  sehatra  manara-dalàna  ankehitriny    amin’izao krizy ara-pahasalamana hatrehany firenena izao, kanefa izy ireo no fototrin’ny fampandrosoana  sy famokarana  ka tokony hojeren’ny  fanjakana akaiky. Tokony hotsinjovina ihany  koa ireo sehatra tsy miankina izay tsy ara-dalàna izay  efa manenika ny 70 %  ny mpandraharaha  Malagasy misehatra anatin’io ka atao izay hirosoan’izy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna amin’ny alalan’ny fanenanana ny tahan’ny haba izay takiana amin’izy ireo  mba hitomboan’ ny vola miditra  amin’ny fanjakana izay mitarika any amin’ny fampandrosoana.

Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fananganana « Banque d’Etat » na koa « Banque de développement »  izay atao hisahana  ireo  fotodrafitrasa lehibe eto amin’ny firenena  ka atao ambany ny tahan’ny « taux d’intérêt »  alaina amin’izany sy tokony hojerena ihany koa ny texte  mahakasika ny lalàna mifehy ny banky.

Nanome fanazavana  mahakasika  fandraharahana  ny resaka  « pétrole » eto amin’ny firenena ihany ko aizy ireo izay mila  hampiakarina ny  « capacité de stockage », ny famerenana ny raffinerie , ny fanjifana mivantana amin’ireo mpamokatra fa tsy mifampiraharaha intsony amin’ ireo mpanelanela mba hahazahoana  vidiny ambiny amin’ny solika ary indrindra ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fampiraharahana mahakasika ny vidy sy ny kalitao .

Niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana  sy nandroso soso-kevitra hanarenana ny toe-karena eto Madagasikara moa  ny Loholona amin’ny maha matianina ny ankamaroan’izy ireo amin’ity lafiny ara-toekarena ity.

Nanambara  ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO  fa zava-dehibe hoan’ny firenena tokoa ny manana olona manana traikefa amin’ny lafiny hay ara-toekarena toy izao, izay  tsy mitsahatra mikaroka ny  tombotsoan’ny firenena. Samy mitsinjo izay mety hahasoa ny firenena  ny tsirairay ankehitriny indrindra  amin’izao krizy  maneran-tany izao ka  samy mijery ny paika rehetra  hoentiny  hanarenana ny   tanjaka  ara-toekarenany. Tokony ho sahy ihany koa hoy izy ny fitondram-panjakana hiroso amin’ny fitrosana lehibe  kokoa entina hampiakarana ny harin-karena fa mitaky   paikady mazava tsara anefa izany  .

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona moa dia nankasitraka azy ireo tamin’ny fandalovany teto amin’ny Antenimierandoholona. Izao no natao hoy izy mba ahafahan’ny Loholon’i Madagasikara mahafantatra bebe kokoa momba ny toekarena eto Madagasikara, mba ahafahan’izy ireo mampitombo ny traikefa izay efa ananany ary mba ahafahana maneho hevitra amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2020 nasiana fanovàna izay handalo eo anivon’ny parlemanta roa tonta. kanefa na dia eo aza izany dia tsy maintsy miainga amin’ny finiavan’ny mpitondra hoy izy no ahafahana manatanteraka ny fampandrosoana ny firenena.