Tsena Andravoahangy : nidina ifotony ny eo anivon’ny Kaominina

13 May 2020

Arakan’ny fandaminana izay nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampihatoana ny tsena isan-kerinandro dia nisy ny fidinana ifotony tetsy amin’ny tsenan’Andravohangy. Fidinana izay nataon’ny avy ao amin’ny Departementa misahina ny tsena, androany maraina ny 13 mai 2020.

Ka nanomboka tamin’ny 6 sasany maraina dia tonga nanala ireo mpivarotra sy niezaka nifampiresaka taminy ny ekipan’ny ​CUA amin’ny tsy hivarotan’izy ireo, hita teny an-toerana ihany koa ny Polisy Monisiplay sy ny Nationaly tamin’ny fandaminana izay natao .

Hita teny an-toerana fa nanaiky ny fandaminana ireo mpivarotra. Arakin’ny nambaran’ny Talen’ny tsenan’ny CUA Rija Randrianarisoa dia mitohy eny amin’ny tsenan’ny Mahamasina rahapitso ny fandaminana ary amin’ny Sabotsy kosa dia eny amin’ny tsenan’Isotry.

Ny antony ny fandaminana dia mba hiadina amin’ny aretina covid-19 dia tsy maintsy natao aloha ny fampihatoana mandrampisy fandaminana vaovao izay ataon’ny fiadidin’ny tanàna an’Antananarivo.