Tosika fameno : hanomboka rahampitso ny fizarana eny anivon’ny Boriboritany fahaenina

12 May 2020

Hanomboka rahapitso ka hatramin’ny 27 may 2020 izao ny fizaranan’ireo mpisitraka tosika fameno 100.000ariary eny anivon’ny Boriboritany fahaenina. Araka ny fandaminana dia ny PNUD no mamantsy an’ilay mpisitraka ao anatin’ny fokontany miisa 30. Ny faha 31 kosa ny ACF no hanohy ny fiarahamiasa fa mbola tsy nivoaka ny lisitra hatreto hoy ny Delegen’ny boriboritany fahaenina Tantely Razanamandimbisoa.

Fa ny 30 fokontany izay vatsin’ny PNUP dia efa nivoaka ny lisitra ireo mpisitraka ary efa nomena an’ ny fokontany, ny fomba nandaminana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny PNUD ary ny boriboritany dia napetraka isakin’ny secteur ny lisitra mba hialana amin’ny vahoaka mifanaretsaka, izay misy ny anarany sy ny mombamomba azy ary ny daty sy ny toerana angalany ny vola.

Misy ihany koa ny fiarahamiasa miaraka amin’ny amin’ireo « secrétaire trésorier » izay napetrakin’ny Ben’ny tanàna amin’ny fitantanana ireo fitarainanan’ny olona eny anivon’ny fokontany. ka arakin’ny fandaminana ny cua dia 40 olona ihany no mahazo ticket ao anatin’ny fokontany isan’andro izay ho entina eny anivon’ny boriboritany mitaraina satria somary kely ny toerana fandraisana izany.

Eo koa ireo mpilantsaka antsitra-po 2 isakin’ny fokontany izay miaraka miasa amin’ny PNUD amin’ny fanatanterahana ny « sensibilisation » ny tosika fameno.

Alohan’ny fisitrahana ny tosika fameno dia efa nisy ihany koa fandaminana izay nataon’ny PNUD ka tsy maintsy manao « formation » mikasika ny fitantanam-bola izay tanterahan’ny OTIV izy ireo, mialohan’ny angalany ny volany. Marihana fa miisa 17 ireo « agent » avy an’ny amin’ny cua miaraka miasa amin’ny OTIV.