SECES TANA – Tsy tokony ho olana ny fanemorana ny taom-pianarana 2019-2020

9 May 2020

Mandia fotoan-tsarotra izao tontolo izao miaritra ny krizy ara-pahasalamana maneran-tany ateraky ny Covid-19. Milaza ny Biraon’ny SECES sampana Antananarivo, fa sarobidy ary tsy manam-paharoa ny aina manan-kasina ka tokony hotandrovina toy ny anakandriamaso, ary tandremana fatratra amin’ny fomba araka ny tokony ho izy fa tsy sanatria atao kitoatoa

Misaotra ny fitondram-panjakana ny SECES, sampana Antananarivo tamin’ny fandraisana andraikitra lehibe niarahany tamin’ireo mpisehatra rehetra nanao ny ezaka izay tratry ny heriny teo amin’ny fikarohana ka nahafahana namoaka ny tambavy CVO mifototra betsaka amin’ny “Artemisia” izay tsy mifanipaka ary tokony hifameno amin’ny fitsaboana lazaina fa manaraka fenitra iraisam-pirenena araka ny code de santé” eto Madagasikara.

Na izany aza dia tokony hatsaraina ny paikady hanilihana ny trangan’aretina sy ny areti-mandringana Covid-19 eto amin’ny tany sy ny firenena ary sehatra maro lafy no tokony hetsehana manoloana io ady amin’ny fahavalo tsy hita maso io hoy ny SECES sampana Antananarivo. Efa maro ny ezaka natao teo amin’ny lafiny serasera, ny fanentanana ny olona hisotro tambavy, ny fanakanana ny olona tsy hivezivezy eto amin’ny firenena mba ho famahana ny olana saingy mbola mila ampiana sy hamafisina izany amin’ny alalan’ny fijerena ireo sehatra rehetra maro lafy voakasik’izany amin’ny fomba matihanina. Manana manam-pahaizana isika, manana mpikaroka amin’ny lafiny maro azo hetsehana sy ametrahana andraikitra mba hahazoana vokatra tsara kokoa ho fanavotam-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.

Mikasika ny COPRIES farany teo ihany koa dia manambara ny SECES sampana Antananarivo fa saro-pady ny fampitana fahalalana sy ny fanabeazana ary ny fampianarana izay tokony ametrahana ny fitovian-jon’ny mpianatra tsirairay ary hanomezana herijika mitovy azy ireo. Tokony hatao vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana hatrany ho an’ny Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana ny fahaizan’ny mpianatra izay efa nampiavaka azy hatramin’izay ka hatao ny fomba hitazomana an’izany ary tsy hanavahana mpianatra.

Tsy tokony ho olana ny fanemorana ny taom-pianarana 2019-2020 raha izay no hevitra horaisina hanatanterahana an’izany. Nody any amin’ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo mba hahafahany miatrika ny fihibohana. Noho izany, raha misy ny fiverenan’ny fampianarana indray dia anjaran’ny tompon’andraikitra voakasika rehetra ny mijery ny fomba rehetra hamerenana an’ireo mpianatra ireo amin’ny oniversite niaviany avy, ny fanomezana fitaovana ampy sy fahalalana sahaza azy ireo iatrehana ny fiverenana amin’ny fampianarana na ho amin’ny famitana ny taom-pianarana 2018-2019 na ho amin’ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2019-2020.

Manamarika ny SECES sampana Antananarivo fa ny sekoly na/sy ireo oniversitem-panjakana dia natao indrindra hitsinjovana ny zana-bahoaka sy ny zanaky ny sahirana izay miely patrana manerana ny nosy na eto andrenivohitra, eny fa hatrany ambanivohitra lavitra rehetra tsy tratry ny tambazotran-tserasera rehetra any.

Manainga ny fandraisana andraikitra mifanandrify amin’ny olana mety hitranga amin’ny mpisehatra rehetra ny biraon’ny SECES sampana Antananarivo, ary vonona hatrany handray ny andraikiny sy hanome ny tolo-tanana tandrify azy raha toa ilaina izany.

 

Lanja R.