Ntsay : “Fametrahana ny fanovana amin’ny alalan’ny fahamarinana”

19 Apr 2019

Nanotrona ny lanonana namoahana sy nanolorana mari-pahaizana ny andiany “Andrarangy”, izay nanaraka ny lalam-piofanana ho mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny olon-tsotra, ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ary ny fitantanam-bola, teo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha, na ENMG, teny amin’ny CCI Ivato, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Christian Ntsay .

Nanafatrafatra ireto andiany ireto ny Praiminisitra ny amin’ny tokony hametrahana ny fanovàna mba hisian’ny demokrasia tena izy, ny fitondrana tsara tantana ary ny firenena tan-dalàna, ho famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto anivon’ny firenena, ao anatin’ny fotoana fohy, izay tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny. Izany ainga vaovao izany, hoy izy, dia mifototra amin’ny famerenana ny soatoavina iray lehibe izay hahafahana manandratra ny firenena, dia ny fahamarinana. Izany anefa dia tsy hipetraka raha tsy misy ny fifanomezan-tanana, ny fanekena sy ny fiainan’ny besinimaro azy, fa indrindra ny fahavitrihan’ireo mpisehatra eo anivon’ny fitsarana, amin’izany. Mila mpitsara manam-pahaizana, mpitsara marina, ary vonona hanao ny asany ao anatin’ny fahitsiana, ny fahendrena, ary ny fahamendrehana, ny firenena, satria misy fotoana ny olom-pirenena mametra-panontaniana hoe aiza ho aiza tokoa ny fisian’izany fitsarana tsy mitanila izany, fitsarana tena hiaro ny marefo, hoy hatrany ny Praiminisitra. Nambarany ary fa “raha hasandratsika tokoa izany fahamarinana izany, dia tsy hanamarina ny meloka isika, ary tsy hanameloka ny marina. Tsy misy ny tonga lafatra fa hiezaka isika mba ho lasa foto-pisainana mitoetra amintsika tsirairay izany soatoavina izany”.

Nanolotra fisaorana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ny Praiminisitra, nohon’ny fanohanana tsy tapaka azon’i Madagasikara amin’ireo sehatra telo lehibe voalaza etsy ambony ireo.