
Notanterahina tao Mahajanga ny fakan-kevitra hamolavolana ny PNDIE
Ny Alarobia 16 sy Alakamisy 17 Oktobra 2019, dia natao tao amin’ny Holidays Amborovy Mahajanga ny atrik’asa iraisam-paritra fakan-kevitra, hamolavolana sy hametrahana ny politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana na PNDIE (Politique Nationale de Développement des Infrastructures et Equipements).
Fakan-kevitra iraisam-paritra izay nandraisan’ireo Prefen’i Diana, Sava, Sofia ary Betsiboka anjara. Tao ihany koa ireo Foibem-paritra sy Sampandraharam-panjakana ary ireo “comité d’orientation et d’élaboration de la PNDIE”.
Ny Prefen’i Mahajanga no nanokatra ity atrik’asa izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa vaventy ity. Nanotrona azy ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy V. Clavelah.
Notsiahivin’ny Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa vaventy eto Boeny, Rtoa Ramangazafiharivony fa ny taona 2016 hatramin’ny 2018 no efa nisy ny fanadihadiana sava ranonando mikasika ity politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana ity ho an’ireo faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.
Fakan-kevitra avy tamin’ireo mpizaika kosa ny dingana natao teto. Izy ireo izay samy tompon’andraikitra voalohany amin’ny asany avy, ka afaka manazava ireo filàna foto-drafitr’asa sy fampitaovana: ankilany hanatanterahan’izy ireo ny asany, ary andaniny hamaliany ny filan’ny vahoaka mila fandraharahana aminy.
Efa vita tao Antananarivo ny fakan-kevitra ho an’Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, ary Bongolava. Mifanindran-dàlana amin’ny eto Boeny izao kosa ny an’ny faritra Atsinanana.
Kasaina havoaka mialohan’ny faran’ny taona ny boky mirakitra ity politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana ity rehefa voaravona avokoa ireo tolo-kevitra rehetra isam-paritra hoy Rtoa Talem-paritry ny MATHTP Boeny.