Nitsidika teny amin’ny Antenimierandoholona i Issa Sanogo

28 Dec 2020

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, androany alatsinainy 28 desambra 2020, tao amin’ny  Lapa maitso Anosy,  Atoa  Issa Sanogo mpandrindra maharitra ny ratsamangaikan’ny Firenena Mikambana vaovao eto Madagasikara.

Niompana tamin’ny fanohizana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny diniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana.

Nambaran’Atoa Issa Sanogo fa izao fitsidihana izao no nataony mba hihaonany amin’ireo Filohan’ny Andrimpanjakana eto Madagasikara hanamafisan’izy ireo ny fiaraha-miasa izay efa nisy hatramin’izay. Nolazainy ihany koa fa ny firenena mikambana dia teo akaikin’ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy hatrany, nanampy azy ireo akaiky mba hisian’ny  fitoniana. Tsy misy izany fitoniana izany hoy izy raha tsy misy ny fiaraha-misalahin’ny tsirairay ary io no fototra lehibe ahafahana manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana eto Madagasikara ary koa mba ahafahana manantanteraka izay  tena laharam-pahamehan’ny firenena.

Etsy andaniny, ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia nilaza fa ilaina hatrany hoy izy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny Firenena Mikambana amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara amin’izany vondrona izany. Tsy misy ny fampandrosoana maharitra rahatsy misy ny fitoniana maharitra hoy izy, anisan’izany ny fanavaozana  sy fanampiana ny  fifidianana  mba ho eken’ny rehetra.

Raha nanontany ny momba ny tokony hisian’ny fitohizam-pahefana ireo mpanao gazety dia nambaran’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona fa na misy aza ny tsy fitovian-kevitra dia tokony hisy hatrany izany, diso ny fiheverana ho mahavita-tena irery eto amin’ny firenena. Eo amin’izay fitohizam-pahefana izay hoy ihany izy dia Betsaka ny asa vita teto amin’ny Antenimierandoholona, ary nisy ihany koa ireo izay  mbola tsy vita izay apetraka amin’izay hisolo toerana eo, ka anjarany ny manohy raha ilaina na tsia izany.