Natomboka androany ny “Tsena Sosialim-bahoaka”

15 Jul 2020

Tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny fitondram-panjakana fitsinjovana ireo marefo ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia natomboka androany 15 jolay ny “Tsena Sosialim-bahoaka” eny amin’ny Fokontany.

 

Ireo mponina tena marefo eny anivon’ny Boriboritany voalohany sy fahadimy no hisitraka voalohany ity tetikasa ity, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena ny alahady teo.

 

Ireo olona tsy nahazo “Vatsy Tsinjo” sy “Tosika Fameno” ary ireo “nandefa fitarainana mahakasika ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno” no hisitraka izany, araka ny fanampim-baovao avy amin’ny Faritra Analamanga.

Marihana fa nozaraina “Ticket” izay mitentina 30 000 ariary hakany entana, kojakoja ilaina aminy fiainana andavanandro, eny amin’ireo Epicerie maro miparitaka eto Antananarivo Renivohitra izay ahitana famantarana manokana ireo mpisitraka ny “Tsena Sosialim-bahoaka”.

 

Miora