Nanazava ny paikady hiadiana amin’ny Covid-19 ny MinSanP

6 Jun 2020

Nosantarin’ny Profesora Ahmad Ahmad, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka (MinSanP) tamin’ny famintinana ireo zava-bitan’ny ministera mahakasika ny fiadiana amin’ny COVID 19 sy ny tazomoka, ny asan’ny ministeran’ny Fahasalamana andavanandro, ary ny vina entina hiadiana amin’ny valan’aretina ny fihaonany tamin’ireo Loholon’i Madagasikara omaly zoma 05 jona 2020, tao amin’ny Antenimierandoholona.

Nambarany fa efa nanomboka tamin’ny 30 janoary 2020 ny fiomanana voalohany tamin’ny fiatrehana ny ady amin’ny COVID 19. Fanaraha-maso sy fidirana an-tsehatra, ireo no paikady napetraka tamin’izany. Mahakasika an’i Madagasikara manokana dia ny paikady fanaraha-maso no tokony hamafisina ary nahomby izany. Mila fiomanana kosa ny paikady fidirana an-tsehatra toy ny fividianana “respirateur” sy ny maro samihafa. Novatsiana fitaovam-piarovana ireo mpiasan’ny ministera rehetra hoy izy ary nohamafisina ny sakana ara-pahasalamana. Ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra anefa ny paikady mahomby indrindra, miaraka amin’ny Mpitondra ary ireo Andrimpanjakàna rehetra.

Tsy ampy ny fanafody sy ny “test rapide” enti-miady amin’ny tazomoka hoy ihany izy . Noho izany dia natsangana niaraka tamin’ny governemanta ny “task force anti-palu” nandefasana fanafody tany amin’ny faritra maro, anisan’izany ny any atsimo atsinanana (95 kaominina).

Mitohy ny asan’ny Ministera andavanandro toy ny fanaovam-bakisiny ny zaza, ny ady amin’ireo aretina tsy mifindra, ny fanarenana ireo toeram-pitsaboana toy ny ao Mahajanga, ny fisorohana ny aretina homamiadana. Mitohy koa ny ady amin’ny pesta. Misy koa ankehitriny ny fitaterana maimaim-poana ireo vehivavy bevohoka sy hiteraka.

Nohamafisin’andriamatoa Minisitra fa tokony ampitomboana ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ireo tobim-pahasalamana ary misy 1000 ny “postes budgétaires “ankehitriny. Mitohy anefa ny asa ary miankina amin’ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana izay hodinihina eto amin’ny Antenimierandoholona izany, ahafahana mifototra amin’ireo laharam-pahamehana toy ny fanarenana hopitaly, fijerena manokana ireo toerana mitoka-monina, ny fampiofanana sy ny fampitaovana. Ny fitsaboana mahomby hoy izy dia mifandray amin’ny kolotsaina sy ny soa toavina.

Nifantoka tamin’ny tokony hanatsarana ireo tobi-pahasalamana any amin’ny faritra iadidian’izy ireo avy ny fanontanian’ireo Loholon’I Madagasikara toy ny fampîtaovana ny hopitaly. Teo ihany koa ny fanamarihana izay nolazain’izy ireo momba ny fahagoragoran’ny fanapahan-kevitry raisin’ny fanjakana manoloana ny fihanak’ity valan’aretina ity, ny tsy fitsinjovan’izy ireo ihany koa ireo marary ny COVID 19 any amin’ny faritra.