Nanatanteraka ny “Tagnamaro” ihany koa ny tao Berlin

6 May 2019

Niara-nientana ireo mpiasan ‘ny Masoivoho malagasy eto Alemaina tamin’ny “Tagnamaro” nanadiovana ny tanàna ny asabotsy 4 mey 2019. Izany no natao, dia ho taratr’izay ataon’ny Ministeran’ny Raharahambahiny mpiahy sy ny Governemanta amin’ny ankapobeny.

Asa efa fanao, ary tsy voalohany izao fa nanomboka ny volana mey 2016 dia efa nifandrimbona nanadio ny Masoivoho ireo mpiasa rehetra, notarihin-dRamatoa mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana, ankoatry ny fanadiovana mahazatra.

Ny toetsaina manentana dia ny fanaovana izay tandrify tokony ho vita” hoy ny avy ao amin’ny Masoivoho. Asan’ny Masoivoho rahateo ny mampahafantatra ny lafiny tsara mampirehareha ny Firenena ka laharam-pahamehana amin’izany ny fanomezana endrika mahatehotia ny Masoivoho.

Nohararaotina koa izany hanamafisana ny fihavanana tamin’ny alalan’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka” hoy ihany ny avy ao amin’ny Masoivoho. “Mitohy ny fanentanana hahavita be araka izay tandrify fa ezaka mitohy izy ity !” hoy ihany izy ireo.

Ony Rabe