Miverina amin’ny laoniny ny andavanandron’ny mponina ao Mahajanga

11 May 2020

Efa afaka miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro ireo Faritra mbola sy nahitana trangan’aretina Coronavirus araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena farany teo.

Nanapa-kevitra araka izany ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga fa miverina misokatra araka ny ora mahazatra ny Bazary rehetra ao  amin’ny Distrikan’i Mahajanga I.

Efa miverina amin’ny laoniny ihany koa ny ora fiasan’ny mpiasa eo anivon’ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga ka afaka mandray olona amin’ny ora fiasana na maraina na tolakandro.

Marihana moa fa mbola mitoetra ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny Nosy. Noho izany dia mbola mitoetra avokoa ireo fihetsika fiarovana rehetra amin’ny fifindran’ny tsimok’aretina, toy ny fanasana tanana amin’ny savony mialoha ny hiditra birao na tsena, ny fanajana ny elanelana 1 metatra… hoy hatrany ny fanazavan’ny eo anivon’ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga

Manentanana ny tsirairay hanaja ireo fepetra fitandroana ny fahasalaman’ny, toa ny fanasana Tanana matetika amin’ny savony sy ny fanajana ny elanelana 1 metatra, ihany koa ny CUT.

 

Lanja R.