Minisitry ny Asa sy ny minisitry ny Mponina teo anoloan’ny Antenimierandoholona

12 Jun 2020

Minisitra roa indray no tonga nihaona tamin’ireo Loholona tetsy  amin’ny Antenimierandoholona ny zoma 12 jiona 2020 hariva, ny  Ministry ny asa, ny fampananan’asa,ny Asam-panjakana ary ny lalàna  Rtoa Ranampy Gisèle , sy ny Ministry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny fampiroborobona ny vehivavy  Rtoa Naharimamy Lucien Irmah.

Famelabelarana ireo tetikasa efa vita ary mbola hokasaina hatao eny anivon‘ ireo  Minisitera sahaniny tsirairay   avy no nanombohana ny fihaonana .

Nambaran-dRtoa Ranampy Gisèle fa ny fametrahana ny asa-panjakana moderna sy manakaiky vahoaka , mpiasa-panjakana mendrika lavitry ny kolikoly sy mahay ny asany no tanjona. Noho izany dia hotohizana  hoy izy ny fampiofanana ireo tanora eny anivon’ny faritra mba ho vonona hisehatra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany izy ireo, ny fampidirana ireo mpiasa eny amin’ny sehatra tsy ara-drafitra, mba hisitrahan’izy ireo ny fiahiana ara-tsosialy (prévoyance sociale), mitohy ihany koa hoy izy ny ezaka mahakasika ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Manoloana ny fisian’ireo mpiasa miasa any ivelany dia mbola hisy hoy izy ny « accords bilatéraux » ifananovana amin’ireo firenena mpampiasa mba hiarovana ireo mpiasa.

Eo amin’ny sehatra fampananan’asa, tafapetraka hoy izy ny ivon-toerana fanofanana ao Antsahavola : 800 ny tanora nahazo fanofanana amin’ny famoronana tetik’asa (formation en montage de projet). Eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana dia  napetraka hoy izy ny AUGURE mba hisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny isan’ny mpiasam-panjakana sy ny fanafoanana ny mpiasam-panjakana matoatoa, hisy ihany koa hoy izy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera telo tonta (MEN/MTEFPLS/MEF) (GUICHET Unique) amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo Mpampianatra FRAM ampidirina  ho mpiasa mpanjakana, amin’ity taona ity hoy izy dia mbola hitohy hatrany ny fanatsarana ireo fotodrafitr’asa efa antitra.

Notsindriny ihany koa fa nanova fomba fiasa  tanteraka  ny Ministera izay andraiketany  amin’ny famohana  ny « équivalence administrative » izay naharitra  herinandro  na 2 andro teo aloha  izay efa  lasa vita eo no ho eo  amin’izao .

Rtoa Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny fampiroborobona ny vehivavy  kosa dia nankasitraka ireo loholona  tamin’ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny herisetra ampiharina amin’ny Vehivavy, nambarany  fa efa voatsangana ny laharana maintso 813, raha toa ka misy ny tranga na herisetra hampanfatarina ny tompon’andraikitra. Voantsangana ihany koa ny « réseaux sociaux »  eny anivon’ny faritra sy distrika , mba ahafahana mandray ireo olona sy zaza mirenireny eny an-dalambe, ireo olona sembana sy ireo be antitra, ary hisy ny «  formation » omena azy ireo.

Maro ny asa efa natomboka hoy izy toy ny fanamboarana toeram-ponenana any amin’ny faritra Vakinakaratra, fanatsarana conteneur 10 ho lasa trano fonenana, fanohanana ara-tsakafo, fanomezana fitafy na bodofotsy hoan’ireo tsy manak’ialofana. Hisy ihany koa hoy izy ny vina amin’ny fanamboarana  « restaurant sociaux » eny amin’ny faritra ho an’ireo tena marefo sy ny tena mahantra.

Marobe moa ny fanontaniana napetraky ny Loholona mahakasika io « restaurants sociaux » io ka namaly izany Rtoa Minisitra fa ny faritanin’Antananarivo, Toamasina, Toliara indindra indrindra ireo distrika tena voakasiky ny kere no hisitraka an’io. Teo ihany koa ny fanontaniana momba ny fikarakarana ireo zokiolona mandray fisotroan-dronono  eny anivon’ny CNAPS izay nolazain-dRtoa Minisitra  fa ny CNAPS dia nanohy ny asa fandoavana izany fisotroan-dronono izany foana ary nolazainy fa amin’izao dia afaka raisin’izy ireo isam-bolana izany na isan-telovolana. Ho an’ny fikarakarana ny taratasy momba ny mpiasa-panjakana sy ny mpisotro ronono dia nambarany fa efa azo atao eny anivon’ny faritra izany amin’izao.

Ho an’ireo mpiasa izay voaroaka noho ny fiantraikan’ity valan’aretina COVID 19 ity sy ireo tratran’ny « chômage technique » eny anivon’ireo orinasa tsy miankina dia nolazainy fa ny « Inspection Général du travail » dia efa nanao fisafoana sy nifampiraharaha tamin’ireo mpampiasa azy ireo.