Miato ny fitateran’olona mampitohy an’Antsirabe sy Ambatolampy

27 May 2020

Araka ny tatitry ny fivorianan’ny CRCO Vakinankaratra androany 27 may dia nivaly avokoa ny test PCR 35 tany amin’ny faritra Vakinankarana ka ny 2 tamin’ireo ihany no positif. Ny iray avy any Ambatovy, efa tsaboina any Antananarivo.

Ny iray kosa avy any Fenoarivo Atsinanana ka efa tazomina ao amin’ny Hopitaly Ambatolampy. Ahiana ho efa nisy fifandraisana tamin’olona hafa ity vehivavy ity hatramin’ny nahatongavany tao Ankaratra sy Ambatolampy, mialohan’ny nahitana azy sy nanaovana test.

Noho ireo antony ireo sy mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina dia nanapa-kevitra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Vakinankaratra fa atsahatra ny fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambatolampy sy Antsirabe ary Ambatolampy sy Antanifotsy.

Hoferana ny fivezivezena anatin’ireo Distrika ireo ary ny mponina ao anatiny dia entanina mba samy hitandrina ka hanaraka ireo “barrière sanitaires”, araka ny tapaka hatrany. Hamafisina araka izany ny fisavana ka hasiana sakana (barrage) iray eo Ambohipihaonana Kaominina Ihazolava. Hamerina ireo fiara tsy mahazo alalana, mpandeha tongotra sy moto ary bisikileta ihany ireo mpitandro ny filaminana.

Isan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ihany koa ny fajanonana ny fitateram-bahoaka mihazo an’i Itasy (Soavinandriana) sy Faratsiho. Ankoatra izay, asiana barrage sanitaire eo Andohariana Kaominina Faratsiho.

Ho Hentitra ny fanaraha-maso eo anivon’ny sakana ara-pahasalamana eo Ambatakazo. Araka izany, tokony hanadihady tsara ny mpandeha hoentiny ireo mpitatitra mba tsy hiverindalana na ho voasazy mihitsy, araka ny fanazavana.

Marihana moa fa mbola afaka mivezivezy ireo fiara mpitatitra entam-barotra sy voakatra saingy voafetra ho olona 2 ihany no azony entina manomboka izao.

 

Lanja Ramiah