Mbola miasa ny 7O%-ny orinasa eto Andrenivohitra hoy ny FISEMA

7 Jul 2020

Mbola miasa ny 70 isan-jaton’ny orinasa eto amin’ny faritry ny Renivohitra sy ny manodidina na dia voalazan’ny fitondram-panjakana aza fa ireo izay manao « services essentiels » ihany no tokony hiasa, araka ny fanadihadiana nataon’ny FISEMA.

Manamafy izany ireo mpiasa mitanjozotra mamonjy ny toeram-piasany omaly sy androany, hoy hatrany ity sendika ity.

Raka ny fanazavan’ireo mpiasa sasany dia ireo izay afaka mamonjy ny toeram-piasana amin’ny dia an-tongotra, na moto, na manana fiara manokana sy misy manatitra no afaka miasa ary mahazo karama mifanaraka amin’ny ora iasana, araka ny tatitry ny FISEMA. Ireo mpiasa mipetraka lavitra ary tsy iantohana ny fitaterana koa dia tsy miasa ary tsy hisy karama antenaina ihany koa amin’ny fandraisam-bola, raha ny voalazan’ireo mpiasa ireo hatrany.

Ankoatra izay, milaza ireo mpiasa nanaovan’ny FISEMA fanadihadiana fa tsy ampy ny fitaovam-piarovana omen’ny mpampiasa azy ireo, indrindra ny aro-tanana (gants) ho an’ireo mpikirakira vola, taratasy, lamba sy ny fitaovana iombonana. Miteraka sy manamora ny fipariahan’ny tsimok’aretina anefa ny fikirakirana ireo zavatra voalaza ireo.

« Raha ny fijery ny zava-misy ankehitriny, dia lasa ihany ny eritreritra hoe sao dia handamoka indray, ary mbola ho faty antoka ara-toe-karena sy sosialy toy ny teo aloha izao fihibohana fanindroany izao, satria tsy voahaja mihitsy ny fepetra hifehezana ny fipariahan’ny valan’aretina; ny toeram-pitsaboana rahateo efa tsy mandray intsony », hoy ny FISEMA.

Mangataka amin’ny fitondram-panjakana araka izany ity sendika ity ny mba hitondra fanazavana ny amin’ny fepetra ahazoan’ny orinasa miasa sy mamory olona mihoatra ny 50, izay orinasa afakaba ny ankabetsahany. Mangataka ihany koa ny FISEMA ny mba hitondran’ny fitondram-panjakana fanampiana ho an’ireo mpiasa tsy afa-miasa tsy fidiny noho ny tsy fisian’ny fitaterana sy ny fahalaviran’ny toeram-piasana. Ankoatra izany dia tokony hanohana ny sehatra tsy miankina, indrindra ny mpiasa, hiatrehana ny valan’aretina Covid-19 nyvola avy amin’ny mpamatsy vola, hoy hatrany ity sendikan’ny mpiasa ity.

 

Lanja Ramiah