Manentana ireo voakasiky ny tetikasa “Rocade Est, Nord-Est” hanatona azy ny MATP

16 Dec 2020

Isan’ny tetikasa lehibe indrindra amin’ny famoronana foto-drafitrasan’ny làlana mandeha ankehitriny ny tetikasa Rocade Nord sy Nord-Est. Làlana mirefy 8 km eo mampitohy ny By Pass sy Andranobevava mamakivaky ny tanànan’antananarivo, natao hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto anaty tanànan’Antananarivo ity tetikasa ity. Mandroso hatrany ny asa ary efa 85% eo no vita ankehitriny.

Amin’ny maha fanamboarana làlana vaovao azy dia misy ny fandravana sy fanovana tsy maintsy natao amin’ireo tanàna andalovany. Ao anatin’izany fandravana sy fanovana izany dia misitraka tambiny ireo tompon’ny fanànana noravana sy tsy maintsy nafindra tamin’ny fanjakana mba hahafahana manatanteraka ny asa.

Nitondra fanentanana ho an’ireo olona voakasik’ity tetikasa ity ny teto anivon’ny MATP tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny Tany Rabe Harimanana ny alarobia 16 desambra 2020.
Isan’ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola ny tokony hahavitan’ny fanonerana vao azo kitihina ireo tany sy trano tafiditra anaty faritry ny tetik’asa ireo. 1100 eo ny tompom-panànana (tany, trano, …) voakasiky ny tetikasa ary mbola maro amin’izy ireo no tsy naharay ny fanonerana izany fanànany izany noho ny antony maro samy hafa.

Efa voaloha ny 94% ny honitra amin’ny « Bien Non Titré » (zavatra eo ambonin’ilay tany) toa ny fambolena, trano, sns, fa mbola 26% kosa ny honitra voaloha eo amin’ny « Bien Titré » toa ny tany, tanim-bary, satria mbola maro ireo olona tompon’ny tany izay tsy nanatona ny Ministera. Izay no antony nanaovana ity fanentanana manokana anio ity.