Manambana ny hitokona ireo mpiasan’ny fahasalamana

4 Jul 2020

Tontosa ny marainan’ny zoma 03 Jolay tao amin’ny Ministeran’ny Fahalasamam-bahoaka ny fihaonana teo amin’ny ny Ministra, ny Sekretera Jeneraly ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, andaniny, sy ny solontenan’ny Mpiasan’ny fahasalamana nahitana ny Pr Solofo, ny solotenan’ny SMEDFM, ny filohan’ny SYNPA, ny filohan’ny SNOSFM, ny filohan’ny SISFM, ny solontenan’ireo Interne, ankilany. Nidinika momba ny Fepetra fototra hoenti-miatrika ny covid-19 ny roa tonta.

Naharitra ora 03 teo ho eo ny fifampidinihina sy fifampiresahana izay niompana betsaka tamin’ny fitateran’ireo Filohan’ny sendika ny hetahetan’ireo mpiara miasa amin’izy ireo tsirairay avy, sy ny tolotanana afaka ataon’izy ireo amin’ny fiatrehana ny valan’aretina COVID-09.

Teo ihany koa ny tatitra izay nataon’ny Ministra sy ireo tompon’andraikitra ny momba ireo fanampiana efa voaray sy ireo paik’ady hoentin’ny Ministera amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao.

Nanentana ny rehetra ny Minisitra ny mba hifanampy, hiara hiasa, hifanome tanana amin’ity ady atao ity ary naneho ny fahavononany hifampiresaka sy hitady vahaolana miaraka amin’ireo sendika ihany koa.

Nohamafisiny ihany koa fa zava-dehibe aminy ny fitantanana mangarahara ka hiezaka ny tenany mba ahafahan’ireo rehetra miasa eny amin’ny Tobim-pahasalamana, misitraka ireo zo fototra sy hahatsapan’izy ireo fiarovana feno, ka anisany paik’ady hahatanteraka izany ny fanaraha maso ifotony.

Tsiahivina fa isan’ireo fepetra fototra takian’ny mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny ady amin’ny Coronavirus ny fiofanana hoan’ny rehetra, ny fampitaovana ampy sy tonga ara-potoana ary ny fandrisika sahaza sy ara-drariny (Prime, indemnité de risque, indemnité de réquisition, recrutement ifirp et bénévoles…)

Hanaramaso ny fampiharana ireo fifanomezantanana izay nambaran’ny Minisitra ny fianakaviamben’ny fahasalamana mandritra ny herinandro ho avy io ka raha tsy feno izay fepetra fototra izay dia hanomboka ny fitokonana voarindra izy ireo amin’iny herinandron’ny 13 Jolay, araka ny tatitry ny filohan’ny Sendika SISFM.

Marihan’izy ireo fa efa betsaka ny dinika nifanaovana, efa betsaka ny vahaolana naroso ary vita ny dingana rehetra tamin’ny mpitondra hatramin’ny fametrahana taratasy fangatahana fihaonana tamin’ny filoham-pirenena. Tandindomin-doza noho ny fepetra fototra tsizarizary ny ain’ny mpitsabo sy ny Mpiray tanindrazana ka tsy maintsy hiroso amin’ny vahaolana farany izahay, hoy hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana.

 

Lanja Ramiah