Mahajanga : fandevenana ny zanaky ny Solombavambahoaka Nina

20 Mar 2019

Nindaosin’ny fahafatesana Rtoakely Nirina Mirana, zanaky ny Solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha voafidy teto Mahajanga Rtoa Rahantanirina Lalao na Nina, ny Asabotsy 16 Martsa lasa teo.

Telo mianadahy ny zanak’ity Solombavambahoaka ary vavy tokana maty ity, izay vao 23taona monja. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviana dia  avy niharan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny kodiaran-droa izy tamin’ny andron’ny fampielezankevitry ny filoham-pirenena farany teo teto Mahajanga.  Nitondra takaitra vokatr’izay izy tao amin’ny tongony.

Niezaka nitsabo azy ny fianakaviany,  ary telo volana taty aoriana dia tsy tana intsony ny ainy raha avy notsaboina tamin’ny alàlan’ny otra tany amin’ny kaominina Marosakoa,  distrikan’i Marovoay.

Ny Alatsinainy 18 Martsa 2019 no nandevenana ny nofo mangatsiakan-dRtoakely Nirina Mirana teny amin’ny Cimetiière musulman Antanimasaja Mahajanga rehefa avy natao veloma farany tao amin’ny Moske Dzoma Mahabibo.

Tonga nitsapa alahelo sy nanotrona ny fandevenana Atoa Lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana Atoa Bazezy Vanombe niaraka tamin’ny Solotenam-panjakana eto an-toerana.

Ny Lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana sy ny mpiara-miasa aminy dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’Itompokovavy.