Lehiben’ny Mpiraki-draharaha maro no afindra toeram-piasana

9 Sep 2020
Miroso ho any amin’ny fanatsarana hatrany ho famerenana ny hasina sy ny fitokisan’ny vahoaka. Izay no azo amehezana ny ezaka tontosaina ankehitriny eo anivon’ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara. Anjaran’ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha (Chef de Greffe/Greffier en chef) indray izao no mifindra toeram-piasana (affectation). Efa mivoaka izao ny lisitra ho azy ireo. Izao dia tohin’ny ezaka efa natomboka tamin’ny famindrana toeram-piasana ho an’ireo Mpitsara, taorian’ny fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Mpitsara na ny CSM.
Tsiahivina fa nisy ny fandefasana antso teny anivon’ny sampam-pitsarana sy Tribonaly isan’ambaratongany. Rehefa tapitra ny fandinihana ireo antontan-taratasy voaray tamin’ireo kandidà, dia nofaranana ny lisitra. Misy ireo hifandimby toerana (rotation), maro ireo olona vaovao, ary eo ihany koa izay ho voatazona amin’ny toerany ihany.
Tsara ny manamarika fa anjaran’ny eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja indray no dingana manaraka amin’izao fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara izao. Tsy mikely soroka ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa Johnny Andriamahefarivo manatontosa ny andraikiny, araka ny vina napetraky ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Andriamatoa Christian Ntsay sy ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andriamatoa Andry Rajoelina.