Lany nasim-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny PLFR2020

30 Jun 2020

Lany nasiam-panitsiana teto anivon’ny Antenimierandoholona, androany  Talata 30 jona 2020 nandritra ny fivoriana azon’ny  besinimaro natrehina ny volavolan-dalàna  laharana faha 009/2020  momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana  nasiam-panitsiana  ho an’ny taona 2020. Fivoriana teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra.

Nifantoka tamin’ny fomba hitantana sy ny hitsinjarana ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny sy ireo vola azo tamin’ny fanampiana maro samy hafa amin’ny fiatrehana izao valan’aretina izao ny fanontaniana napetrak’ireo Loholon’i Madagasikara tamin’io volavolan-dalàna io. Nandroso soso-kevitra ihany koa ny Loholon’i Madagasikara ny amin’ny tokony hijeren’ny fitondrana mpanatanteraka  akaiky ireo  sehatra  hita fa voakasika mivantana amin’ity valan’aretina ity toy ny sehatry ny fizahantany , ny tsy miankina , ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ary ny fitaterana. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambaran’ Atoa Randriamandrato Richard, Minisitry ny toekarena sy ny vola, raha nametra-panontaniana momba ny tsenam-baro-panjakana ireo Loholon’i Madagasikara, fa ny fitondram-panjakana dia tsy afaka manome fanampiana (“subvention”) ho an’ireo sehatra tsy miankina fa ny azo atao dia ny fanomezana ny fitantanan’ ireo orinasa izay any amin’ny faritra ny tsenam-barom-panjakana ho an’ireo tetikasa hotanterahina any amin’izy ireo.