Jiolahy miisa dimy voasambotry ny Polisy ao Mahajanga

29 May 2019

Jiolahy miisa 05 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny « Commissariat Central ao Mahajanga » ny 27 Mai lasa teo rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana tamina tokantrano iray Mahavoky Avaratra.

Jiolahy miisa 02 no nitondra basy vita gasy sy poignard ary niditra tao an-takantrano iray ao ao Mahavoky Avaratra Rehefa tafiditra tao an-tokantrano ireto jiolahy dia nisy ny fifandomana teo amin’ izy ireo sy ilay raim-pianakaviana ka samy naratra ny andaniny sy ankilany ary naka bajajy namonjy hopitaly ireto jiolahy.

Rehefa nampandre ny Commissariat Central ao Mahajanga ny niaraham-boina dia teo no ho eo ihany dia natao ny fikarohana ka tratra tamin’ny hopitaly iray eto Mahajanga ny anakiray niaraka tamin’ilay basy vita gasy sy poignard raha tafaporitraka kosa ny anakiray.

Tsy nijanona teo anefa ny fanadihadiana fa nitohy hatrany ka vehivavy roa sy lehilahy roa no voasambotra rehefa niray tsikombakomba sy nampiantrano ireto jiolahy. Rehefa nosavaina ihany koa ny tranon’izy ireo dia mbola nahitana entana izay an’olona voatafika tamin’ny 22/05/19 tao Ambondrona Mahajanga toy ny telephone portable samsung miaraka amin’ny dossier maromaro tao anatiny.

Fantatra ihany koa fa mbola ireto jiolahy ihany koa no tompon’antona tamin’ny fanafihana olona mpivady ny 21/05/19 tokony tamin’ny 10 ora alina handeha hody avy nivarotra izay naratra fa tsy nisy zavatra azon’ireto jiolahy.