Ihosy : niverina amin’ny laonony ny filaminana ao an-toerana

23 Apr 2019

Fampitam-baovao, Polisy nasionaly – Ny alin’ny alatsinainin’ny paska tokony ho tamin’ny 12 ora alina dia nisy zatovo lahy 01 maty notsatohan’olona antsy nandritra ny ady nifanaovana tovolahy maromaro tao an-tapon-tananan’ i Ihosy.

Nentin-kafanam-po ny fianakavina manana ny maty ka avy hatrany dia naka an-keriny ny ray aman-drenin’ilay tovolahy nahavanon-doza ka nihazona azy ireo tamin’ny toerana iray. Niantso vonjy tamin’ny polisy avy hatrany, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina tany ho any, ny fianakavian’ity nahavanon-doza ity koa dia niditra ho mpanelanelana ny Polisy. Niravina soa aman-tsara ny disadisa teo ary nanaiky ny fianakaviana mana-manjo fa ny fanarahan-dalàna ihany no vaha olana ka navotsotr’izy ireo ity ray aman-dreny ity.

Tsy niandry fotoana ela ny Polisy nikaroka sy nisambotra ilay nahavanon-doza ka azo sambo-belona ity farany ity tokony ho tamin’ny 05 ora maraina tany ho any. Natao faran’izay haingana ny famotorana mba hampitony ny andaniny sy ny ankilany na dia mbola nisy fianakaviana hafa an’ity mpamono olona ity aza tonga nitady vonjy tao amin’ny Kaomisaria izay tsy natosi-boho-tanana.

Nanome baiko avy hatrany ny Procureur tany an-toerana mba hampidirana vonjimaika am-ponja an’ity mpamono olona ity vantan’ny vao vita ny famotorana ; Na dia teo aza izany fanampan-kevitra izany dia tonga nitarika andian’olona maro nanoloana ny kaomisaria indray ny fianakaviana mana-manjo nitaky ny hanolorana azy ireo an’ilay mpamono olona. Nanao izay ho afany ny Polisy nandresy lahatra ireto olona ireto ny amin’ny tsy maintsy ny hanarahan’izy ireo ny lalàna velona. Niparitaka ihany ireo olona ireo noho ny farany ary tsy maintsy nanao tifi-danitra ihany ny polisy tamin’izany.

Mandray an-tanana ny famerenana ny fandriam-pahalemana ao an-tampon-tananan’i Ihosy ny OMC ankehitriny.

Amin’ny ankapobehiny dia efa niverina amin’ny laonony ny filaminana na dia mbola misy fivorivoriana mitsitokotoko ihany aza eny ho eny. Ary efa nafindra toerana any amin’ny fonjan’i Fianarantsoa ihany koa ity mpamono olona ity mba hitsaharan’ny romoromo. Miara-miasa tanteraka ny mpitandro ny filaminana rehetra any an-toerana hiarovana ny korotana tsy hihitatra.