Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

25 Nov 2018

Ry havana malala,

1- Harem-panahy nentin’ny JMJ MADA 9
Tontosa soa amantsara iny JMJ nasionaly tany Mahajanga iny. Izay nanamarihana ihany koa ny faha roapolo taonany teto amintsika (1998-2018). Isaorantsika Andriamanitra. Nitondra vokantsoa ho antsika rehetra, indrindra ho an’ny tanora ny fandinihana ny lohahevitra hoe : « Aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao. » (Lk 1, 30). Namokatra tokoa satria niainga tamin’ny traikefa sy fomba fiasa efa matipaika : Eokaristia, sakramentan’ny fampihavavana, alimbavaka, Katesizy, Làlan’ny Hazofijalina, fifanankalozana sy fifampizarana … iny JMJ iny.

Mankasitraka manokana ny diosezin’i Mahajanga nandray sy ny VPKT niara-nanomana. Niampy indrindra koa ny firaisankina sy ny fifanomezan-tànanan’ny fianakaviamben’ny tanora niara-nanao iny fivahinianana masina iny.

Samy nidera ny fahafoizan-tenan’i Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i Mahajanga isika. Na dia tao anatin’ny tsy fahasalamana aza izy tamin’ireny fotoana ireny dia tsy nisaraka tamin’ny tanora ary nanome fampianarana mafonja tamin’ny Eokaristia fanirahana. Niara-dia tamin’izy ireo isanandro koa izahay ary nametraka hafatra hoe : “Ry tanora ô, tianay ho tsapanareo fa ny Eglizy dia Reny tia anareo, matoky anareo ary vonona hihaino sy hiahy anareo. Ao ampon’ny Eglizy tokoa ianareo ka izany no nanaovany Sinaody manokana nandritra iny volana oktôbra iny tany Roma, niompana amin’ny lohahevitra hoe “ny tanora, ny finoana, ary ny famantarana ny antson’Andriamanitra”.

Harem-panahy lehibe azo tsapain-tànana no azonareo tanora nandritra ny JMJ MADA 9. Nisongadina indrindra tamin’izany ny hafaliana, ny fiombonam-piainana, ny fitiavam-bavaka, ny fahaizana mihafy, niatrika ireo zava-tsarotra tamin’ny fandaminana ny olona marobe mihoatra ny efatra alina. Tsapa ny fahamatorana sy ny fahaizanareo mifampitsimbina. Ary ny fifampizaranareo am-pahatsorana ny tao am-po tamin’ny fametraham-panontaniana samihafa. Voandalana nentinareo nody ny hafatry ny Papa Fransoa manao hoe : “Mandehana mitory amin’ny olona rehetra fa tia antsika i Jesoa ary raha miaraka aminy dia ho foana ny tahotra rehetra. Tanteraho ny nofinofinareo ary miaraha miasa hanorina ny hoavinareo sy ny hoavin’ny firenenareo amin’ny fikatsahana mandrakariva ny soa ho an’ny tsirairay sy ho an’ny hafa”.

2- Tahotra sy Fahadisoam-panantenana
Nifarana ny JMJ. Niverina amin’ny toerana niaviany avy ny rehetra. Efa tafiditra tao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ny malagasy rehetra. Nisokatra ny mason’ny tanora, notsilovin’ny fahazavana voaray tao amin’y JMJ, ka nametra-panontaniana maro : Hahita rariny ombam-piadanana tokoa ve ity firenentsika ity ? Hiverina amin’ny tena hasiny ve ny soatoavina malagasy ? Mbola mendrika hitokisana ve ireo Ray aman-dreny any anatin’ny fiaraha-monina any ? Toa ny fitiavan-tena mantsy no tena manjaka amin’ity firenena ity fa tsy ny fijerena ny soa iombonana. Ny vola no andriamanitra tompoina
Tsapan’ireo tanora ireo araka ny fifampizarana nataony fa mitombo tsy tambo isaina ny fahasahiranana eto amintsika. Toa lian-drà ny vahoaka ka mihamitombo ny ady, sy ny tsy fandriam-pahalemana, tonga hatrany amin’ny fifamonoana, na antanàndehibe na ambanivohitra.

Raisinay Eveka ny tebiteby sy ahiahin’ireo tanora zanantsika ireo ka mitodika amintsika Ray aman-dreny sy olon-dehibe natao ho modelim-piainana sy hananatra izahay : Toa Ray aman-dreny miady sy mifanilika eo imason’ny zanany hita. Mifanao valala an-karona : tsy mifankazo, mifanenjika, mifampitory, tsy mifanaja amin’ny teny tsy voahevitra. Toa tanteraka ilay fitenenana hoe : « ny ray aman-dreny no miady, ny ankizy no voatorotoro ».

Potika ny soatoavina maha malagasy, maty ny marina, very ny zo aman-kasina maha olona ny maro. Simbain’ny mpanao politika ny toe-tsain’ireo olon-tsotra. Maha lasa saina ny nahita volabe tsy fantam-pihaviana nampanontany ny ory tamin’ireny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ireny. Fa nahoana loatra re?

Ny fiombonan’ny fianakaviana no andrandraina nefa politikan’ny fifanaratsiana sy fampisarahana no misongadina. Very ny fahaizana mifanakalo hevitra mitondra amin’ny teny ierana eo amin’ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tsaroanay eto ny tenin’i Lucien Botovasoa olontsambatra, tamin’ireo mpanao politika tamin’ny tamin’ny fotoan’androny : “miaina amin’ny lainga ny politikanareo ka ho rà no hiafarany”.

Hoy koa ny Papa Fransoa vao tsy ela akory izay : « Zary natao kolo-piainana ny ady sy ny fifamonoana, ka nampidina ambany dia ambany ny maha-olona, sy ny fahasahiranana tsy tambo isaina, ary dia ho lian-drà tsy hahay mifandamina intsony ve isika ?…. Atsaharo amin’izay, fa rahefa mivavaka isika, dia aoka ho fanorenam-piadanana fa tsy ho fandranintana ady no atao » (Angelus, 11 novembre 2018)

3- Aza matahotra, efa nandresy an’izao tontolo izao aho. (Jn 16, 33)
Io voalazan’ny Papa io àry no entinay manainga antsika kristianina tsy ankanavaka sy ianareo rehetra tsara sitra-po eto Madagasikara : Vonjeo re ity tanindrazana malalantsika ity.

Mankasitraka antsika vahoaka malagasy, nandray anjara mavitrika tamin’iny fifidianana fihodinanana voalohany iny, na dia maro aza ny zavatra tsy tomombana. Hita taratra hatrany ny fahendrena sy fahamatoran’ny vahoaka mandala ny fihavanana sy naneho ankalalahana ny safidiny.

Miantso ny rehetra ho tony sy hilamina eo am-piatrehana ny ho tohiny. Manainga ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny mangarahara ary hanaja ny tena safidin’ny vahoaka.

Ka ho anareo izay ho voafidy amin’izany, dia hajao ny teny nomena ary tanteraho ireo toetra natolotray anareo tamin’ny hafatra 29 mai 2018.

Raha mifanome tànana ampitokiana isika, ho velona ary ho ela velona i Madagasikara, koa :
• Hamafiso ny finoana an’i Jesoa nitsangan-kovelona, Mpanjakan’izao rehetra izao, nandresy ny herin’ny maizina sy ny fahafatesana. « Ho aminareo anie ny fiadanana », hoy izy. Zary voaary vaovao ao amin’i Jesoa ny olombelona ka miverina amin’ny maha- izy azy.
• Manapotika ny fiainana, tsy afahantsika mivoatra sy mametraka fiaraha-monina mitondra amin’ny fampandrosoana ny mahaolona manontolo sy ny olon-drehetra, ny tsy fijoroana amin’ny marina eo amin’ny seha-piainana rehetra. Koa sahia mampanjaka ny marina.
• Adidy masina ho an’ny Ray aman-dreny rehetra ny manampy ny zanany ary ho an’ny olon-dehibe ny manao tantsoroka amin’ny tanora hiatrika ny hoaviny amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny soatoavina maha malagasy.
• Hamafisina ny fanomezana toerana ny fifanakalozan-kevitra amim-panajana izay mitondra amin’ny tena marina hikatsahana ny soa iombonana ho an’ny Firenena manontolo. Làlana hahatongavana amin’izany ny Fanabeazana olom-pirenena vanona (education civique). Ilaina ny fifampifehezana hentitra enti-manova ny toe-tsaina efa lasa lomorina.
• Mila ho dinihina tsara ny Lalàm-panorenantsika mba hiorina tsara sy ho matotra ka hanampy ny tsirairay hanana ny tena fitiavan-tanindrazana izay mitaky fahafoizan’aina manontolo.
• Aza ekena mihitsy ny fanapotehana sy fanoloana ny kolontsaina iorenan’ny soatoavana maha malagasy. Halaviro ny fivarotana ny harem-pirenentsika fa masina ny Tanindrazana.
Famaranana

Hoy ny Papa ho an’ny tanora sy ho antsika mianakavy ihany koa : “Maniraka anareo aho ho mpitondra hafatry ny fiadanana sy ny fanantenana eo amin’ny fiainanareo, eo amin’ny tanànanareo sy amin’ny toerana rehetra iainanareo sy iasànareo… Aoka tsy hanirery ianareo, ny Eglizy dia Fianakaviam-be hahitànareo fanohanana sy fankaherezana, any amin’ny paroasinareo sy ny fikambanana misy anareo, amin’ny alalan’ny vavaka, ny sakramenta, ny fifankatiavana, ny fitantanan’ny pretra sy ireo mpino hafa vita batemy”.

Hankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika katolika, hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny fihavian’ny Tompo, ary hankalaza ny Noely sy ny Taom-baovao 2019, koa enga anie hitondra ainga vaovao hoantsika mianakavy izany, ary ho mafy orina ao am-pontsika fa « i Kristy dia efa nadresy an’izao tontolo izao ».

Ankinina amin’i Masina Maria, mpiaro an’i Madagasikara sy ireo Olomasina sy Olontsambatra zokintsika ny fiainantsika manontolo.

Mitso-dranao anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo
Anio 22 novambra 2018
Fetin’i Mb Cécile, Virjiny martiry

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara,
Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra,
Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly,
Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,
Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,
Mgr Fulgence RABEONY Arsevekan’i Toliary,
Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja,
Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka,
Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana,
Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe,
Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique-n’i Mahajanga.
Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana, Administrateur Apostolique-n’i Moramanga.
Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro
Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe
Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana
Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo
Mgr Antonio SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka
Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava
Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé
RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain-n’i Tsiroanomandidy