Governoran’i Boeny: Laharam-pahamehana ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny Covid-19

27 Jul 2020

Namory ireo Senatera, Depiote, Assistants parlementaires sy ireo solotenan’ny Ben’ny Tànana ary ny Talem-paritry ny Fahasalamana eo anivon’ny Faritra Boeny ny marainan’ny 27 jolay ny Governoran’ny faritra, Andriantomanga Mokhtar Salim.

Fampandrosoana sy ady amin’ny Covid-19 aloha no laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao fa amiko tsy dia vahaolana loatra ny fihibohana” raha ny nambarany tamin’ireto olom-boafidy sy olom-boatendry izay namaly ny antsony ireto.

Tanjon’ny fivoriana araka izany dia ny hitadiavana miaraka ireo vahaolana ahafahana mivoaka ny fihibohana izay mihatra ankehitriny ao amin’ny faritra Boeny. Marihana fa mbola misy eo amin’ny efatra andro eo no hihatra ny famerana ny fifandraisana eo amin’ireo Distrika ao anatin’ny Faritra Boeny.

Nandritra ny fihaonana ny maraina teo araka izany dia samy nanolotra soso-kevitra azo amihariha any amin’ny distrika tsirairay avy, ahafahana miala amin’ny fihibohana sy hanalefahana ny fahassahiranam-bahoaka kanefa ao anatin’ny fanajana ny fepetra iadiana amin’ny Covid-19, ireo mpandray anjara.

Momba ny fitaterana antanety manokana dia isan’ireo soson-kevitra naroso ny fanesorana tanteraka ao anatin’ny fiara ireo seza izay tsy tokony ho ampiasaina mba ahazoana antoka fa ho voahaja ny elaelana eo amin’ireo mpandeha. Mahakasika ny saran-dàlana kosa dia tsy maintsy hisy ny fiakarana noho ny fihenan’ny isan’ireo mpandeha azo entina. Nanamarika ny Governoran’ny Faritra Boeny fa tanjona ny itsinjovana ireo mpitatitra mba tsy ho faty antoka. Tsinjovina ihany koa anefa ireo olona taterina ka mba ho ireo izay tena manana anton-draharaha manokana, toy ny asa, varotra, fitsaboan-tena…  ihany no handeha amin’ireo fiara fitateram-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavana. “Tsy fotoanan’ny fifamangivangiana izao”, hoy ny fanamarihan’ny Governora Andriatomanga Mokhtar Salim.

Araka ny fantatra moa dia ho aroso eo anivon’ny CRCO Boeny androany ireo sosokevitra ireo mba handraisana fanapahan-kevitra momba ny ho tohin’ny ady amin’ny Covid-19 any an-toeranana.

 

Lanja Ramiah