Fonjan’Arivonimamo : voafonja 6 mitondra ny tsimok’aretina Covid-19

15 Jul 2020

Efa noraisina an-tanana manokana izy ireo. Ny herinandro lasa teo,natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin’ireo efitrano 7 ao amin’ny fonjan’Arivonimamo. Voafonja 6 no voamarina fa mitondra ilay tsimokaretina ka nandraisana fepetra manokana avy hatrany. Nafindra tao amin’ny «infirmerie» izy ireo, nomena fanafody araka ny <<protocole >> nomen’ ny Ministera misahana ny Fahasalamana. Etsy andaniny dia, nohezahina natsaraina ihany koa ny sakafo nomena azy ireo.

Nafindra eny Andrangaranga ireo voafonja mitondra ny tsimokaretina covid-19 ireo. Misy ny fiambenana manokana noho izany. Manampy azy ireo dia misy ihany koa voafonja 15 hafa izay vao nahazo didy famonjana vonjimaika ka mbola natoka-monina na natao «mise en quarantaine» eny Andrangaranga ihany koa. Nohamafisina ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa sy ny voafonja ka nisy koa ny fepetra noraisin’ny ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Arivonimamo izay nampifanarahana amin’ny paikady napetraka eny anivon’ny fonja.

Laharam-pahamehana ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fiahiana ny maha-olombelona na eo ireo voafonja fa indrindra ihany koa ho an’ireo misahana ny fandraharahana ny fonja rehetra. Noho izany, tsy navela mivezivezy mankany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany intsony aloha ireo voafonja ary naato ny fampidirana am-ponja vonjimaika raha tsy misy ny antony manokana. Naato avokoa ny fandraisana olona na ny raharaham-pitsarana «audience». Mbola mitohy ny fanafoanana ny famangiana. Sady consigné no nahiboka ireo mpandraharahan’ny fonja rehetra ankoatr’ireo izay marefo ara-pahasalamana.

Tao-trano anefa tsy efa ny irery, ka ho fifanomezan-tanana amin’ny Ministera dia,nanolotra fanafody hitsabona ireo mararin’ny covid 19 sy tambavy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra izany tany an-toerana moa ny Ministra – Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO. Nanatitra aro-tava sy ranom-panafody amendrahana ny fonja sy ny manodidina ny Ben’ny tanana ao an-toerana. Rano sy savony, vary sy dattes, virocide, eau de javel, aro-tava , fitehirizan-drano, CVO no naterin ny CRCO Itasy omaly hariva.