Fivorian’ny OMC hanamafisana ny fepetra fametrahana ny fandriampahalemana

16 Nov 2020

Namory an’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny nosy (Organisme Mixte de Conception – National) teto amin’ny Lapam-panjakanan’i Mahazoarivo, androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, momba ireo fepetra maro lafy samihafa, tsy maintsy horaisina ao anatin’ny fametrahana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena.

Notsiahiviny, amin’ny maha-Lehiben’ny governemanta azy, fa vovonana iray andinihana mahakasika ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena ny « OMC », ary amin’izao fotoana izao indrindra dia maro ireo zavatra tsy maintsy atrehina ho fanamby ka ilaina tohizana ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana. Isan’izany ohatra ny fanomanana ny fifidianana izay hotanterahina amin’ny faha-11 desambra ho avy izao, satria araka ny Lalàmpanorenena dia hifarana ny fepotoana iasan’ireo Loholon’i Madagasikara, ka nojerena ny fandraisana andraikitra isan-tsokajiny mba hahatomombana izany fifidianana izany, araka ny  tanjona napetraka.

Nojerena nandritra izao fivoriana izao ihany koa, hoy ny Praiminisitra, ny mahakasika ireo toe-javatra manahirana miseho amin’ny endriny samihafa manerana ny nosy, toy ny halatr’omby, ny firongatry ny herisetra atao amin’ny olombelona, ary ny trangam-piaraha-monina hafa, izay samy nandraisana fanapahan-kevitra androany avokoa.

Miatrika fanamby maro ny firenena, hoy ihany ny Lehiben’ny governemanta, ary iaraha-mahalala fa maro toy izany koa ireo ambana misy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiatrehana ny doro tanety sy ny heloka isan-karazany mahakasika ny fanimbàna ny tontolo iainana, eo koa ny ambana amin’ny asa fampihorohoroana ; ary adidin’ny « OMC » ny mifehy an’izany rehetra izany ao anatin’ny fampanjakana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

Nanamafy ireo fepetra noraisin’ny filankevitry ny Minisitra mikasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanolanana zaza tsy ampy taona ihany koa ity fivoriana ity, tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra momba ny hamerenana ireo ivon-toerana fanabeazana ny ankizy voaheloka, ary nojerena akaiky ny hanafainganana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy fiampangàna olona meloka rehetra, mba tsy hisian’ny fanalefahana sazy  sy ny fanomezana fahafahana vonjy maika raha voamarina ny fahamelohana. Ireo mpikambana ao amin’ny « OMC », hoy ny Praiminisitra, no handray an-tanana ny fanaovana fanentanana sy fanazavàna ny andinin-dalàna mahakasika izany, eny anivon’ny fiaraha-monina, eny anivon’ny Fitsaràna, ary eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, mba hisorohana an’ireo zavatra voalaza ireo.

Nasian’ny Praiministra teny ny mahakasika ny lalao baolina kitra hiarahan’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire rahampitso ka nanambarany fa tsy maintsy hojerena manokana ny lafiny fandriampahalemana, mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy, ka notsipihiny fa ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina no efa mandray andraikitra amin’izany.