Fihaonan’ny loholon’i Madagasikara sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta

2 Jun 2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’Andriamatoa NTSAY Christian Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta androany talata 02 jona 2020 teto amin’ny Lapan’Anosikely.

Nosantarina tamin’ny savaranon’ando izay notanterahin’Atoa Praiminisitra ny fotoana ka namoaboasany ireo zava-bita rehetra mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Nambarany fa efa hita taratra ny fahatokisan’ny vahoaka ny fahefam-panjakana amin’izao fotoana izao. Maro dia maro ireo ezaka izay efa notanterahin’ny fanjakana tamin’io fandaharan’asam-panjakana io azo tsoahina amin’izany raha araka ny voalazany ny fametrahana ny fandriampahalemana  eto Madagasikara, ny fanorenana fotodrafitrasa marobe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanamboaran-dalàna ary ny fanatsarana ny rafi-pampianarana.

Amin’ity taona ity dia hoeritreretina hatrany amin’ny 0,8% ny fitotonganan’ny harin-karena vokatry ny fisian’ny valan’aretina Covid 19, ka ho fampitomboana izany hoy izy dia tsy maintsy mitady fampidiram-bola ny fanjakana amin’ny alalan’ny fitadiavana vola amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fanatsarana ny sehatry ny fanondranana, ny fitadiavana seha-pihariana maro samihafa, fanamboarana fotodrafitrasa maro samihafa. Nambarany fa efa misy ny “plan multisectoriel d’urgence” izay miompana indrindra indrindra amin’ny sehatry ny ara-tsosialy sy ny ara-toe-karena.

Mikasika ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana dia ny tena laharam-pahamehana hoy izy no nojerena. Nomarihin’Atoa Praiminisitra fa ny politikam-pitantanan’ny fanjakana dia mifantoka amin’ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara tanteraka.

Niditra tamin’ny fametraham-panontaniana avy amin’ireo Loholon’i Madagasikara  moa ny fotoana taorian’izany ka anisan’ny  fanontaniana napetrak’izy ireo ny resaka fanamboaran-dalana amin’ireo faritra izay sahanin’izy ireo avy mba hamoahana ny vokatra, manoloana ny fisian’ny COVID 19 dia nangatahin’izy ireo ny hampitomboana ny fitiliana, mba ny vahoaka Malagasy rehetra no tiliana ahafahana mamehy ny fiparitahan’ity valan’aretina ity, teo ihany koa ny fampitaovana ireo hopitaly manerana ny nosy, ny fanomezana vatsy tsinjo ny faritra voa izay mbola tsy nahazo izany.

Naharitra ora 6 sy sasany moa ny fihaonana ary mbola hisy ihany koa ny fihaonan’ny Loholona amin’ireo ministera sasantsasany toa ny Indostria, ny asa vaventy, ny ekonomia sns…  manomboka ny zoma izao.