Fiakaran’ny vidin’entana : nanome toromarika entitra ny Filoha Rajoelina

25 Sep 2019

Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny filankevitry ny minisitra anio mikasika ny fiakaran’ny vidin’entana izay tsy marim-pototra hita ankehitriny. Tsy azo ekena ny fanararaotana hoy ny filankevitra, ka nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mba hampiantsoan’ny minisitry ny varotra sy ny indostria fivoriana maika iarahana amin’ireo orinasa mpamokatra avy eto an-toerana sy ireo mpanafatra entana.

Ny ministera dia hamoaka vidin’entana tombana “prix de référence”, miainga amin’ny kajy izay hatao, mifototra amin’ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny saran’ny fanafarana sy ny haba isan-karazany mba ahafahana mamaritra ny vidiny tokony ampiharina eny an-tsena, ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Hohamafisina koa ny fanaraha-maso ny fanafarana entana sy ny fiparitahany eny amin’ny tsena, mba hialana amin’ny mety ho fakana tombom-barotra mihoam-pampana hataon’ireo mpanafatra.

Ankoatra izay dia haverina manomboka amin’ny herinandro ambony ny “tsena mora” izay fepetra vonjimaika ahafahana mitsinjo ny fianakaviana tena sahirana. Izany dia ahitana ireo entana ilaina andavanandro amin’ny vidiny tena mirary. Ohatra ny menaka fihinana dia tsy hihoatra ny 3.000 Ar ny litatra, ny vary dia tsy hihoatra ny 1.000 Ar ny kilao ary ny siramamy dia tsy hihoatra ny 2.000 Ar ny kilao.