Fampiantsoana ny sefo fokontany CUA mikasika ny sosialim-bahoaka

5 Aug 2020

Manoloana ny resabe sy ireo fitarainana be loatra ataon’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra , mikasika ny fizarana ny sosialim-bahoaka sy ny tosika fameno avy amin’ny fitondram-panjakana dia nampiantso  maika  ireo sefo fokontany manerana ny boriboritany 6, tetsy amin’ny Lapan’ny tanana Analakely androany 05 aogositra 2020 ny kaominin’ Antananarivo Renivohitra.

Nanokatra ny fivoriana sy nitarika izany ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny Governora Analamanga Hery Rasoamaromaka, teo ihany koa ny Ministeran’ny atitany sy ny sefo distrika ary ny Delege isan-tsokajiny.

Ny mba hanatsarana ny fiaraha-miasa eny anivon’ny fokontany tsirairay avy amin’ny fizarana ny sosialim-bahoaka no votoatin’ny fivoriana

Nisy ny  hafatra nomen’ ny Ben’ny tanàna sy ny Governora sy ireo  tompon’andraikitra isan-tsokajiny ho an’ireo sefo fokontany  mombany tetikasa ho an’ny mponina amin’ny fizarana sosialim-bahoaka. Nomena toro-hevitra izy ireo amin’ny  fanatsarana ny fanaovana  ny lisitra mba tena hisitraka ireo tena sahirana eny amin’ny  Fokontany. Nisy ihany koa ny fampitandremana  amin’ny kitrano an-trano sy ny fanaovana kolikoly amin’ny fisitrahana. Marihana fa ireo olona efa nahazo tosika fameno tsy mahazo « ticket » intsony.

Hisy ny fanesorana sy ny sazy toy amin’ny fampidirana amponja raha tratra manao ny tsy mangarahara ny sefo fokontany, ka voamarina tsara amin’ny alalan’ny fanadihadiana izany. Efa mandeha  hoy ny Governoran’Analamanga ny fiantsoana sy ny fanadihadihana ho an’ireo olona voakasika tamin’ny fitarainana izay efa voaray.

Mampitandrina ireo olona manely tsaho etsy sy eroa manakorontana ny saim-bahoaka ihany koa ny Ben’ny tanàna. Manentana ny mponina izy  raha misy tranga mampiahiahy mba hanao fitarainan eny anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra  na hanatona ny sefo distrika sy ny Delegen’ny boriboritany, eo ihany koa ny solombavambahoaka.