Famendrahana fanafody ny biraon’ny minisiteran’ny Atitany

28 Apr 2020

Mba ho fiarovana ny mpiasa sy ireo izay mivezivezy ao amin’ny Minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana dia nanapa-kevitra ny Minisitra : Tiana Razafimahefa, sy ireo mpiara-mitantana aminy fa hanatanteraka famendrahana fanafody ireo birao foibe sy ny ratsa-mangaika rehetra eto Antananarivo.

Natao izany androany 28 aprily 2020.

« Fomba iray  ahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina sy ny otrik’aretina maro samihafa indrindra ny  Coronavirus, izao natao androany izao », hoy ny Minisitra.

Ny Desinfect Pro, izay orinasa matihanina momba ny famendrahana fanafody, ary manana fitaovana ari-fomba mikasika izany, no niara-niasa tamin’ny Ministeran’ny Ati-tany tamin’izany.

Nohazavain’i Tsanta Ramilijaona, tompon’andraikitra ao amin’ny Desinfect Pro fa rehefa manatanteraka  famendrahana fanafody toy izao dia tsy maintsy arahina ireto dingana ireto : atao aloha ny faritra ambany rehetra, avy eo ny entana isan-karazany toy ny fanaka, ny varavarana, sns ary farany ny rivotra iainana.

Ankoatran’izao famendrahana fanafody izao, dia tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana hafa rehetra toy ny fanasana tànana matetika amin’ny savony, fanaovana aro-vava, fanajana ny elanelana iray metatra, izay rehetra miditra sy mandalo ato amin’ny Ministera, hoy hatrany ny Minisitra manamafy.

Tsy hijanona eto amin’ity ministera ity irery ihany anefa izao hetsika izao fa hotanterahina ihany koa any amin’ireo biraom-panjakana maro samihafa.