Mandeha ny fanadihadiana momba ilay tranga tazo mahery ao Mahajanga

30 Apr 2020

Manoloana ny tranga tazo mahery izay miseho any Mahajanga tato ato dia nitondra fanampiam-panazavana sy fanentanana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny BMH ao amin’ny Kaominina Ambonivohitri’i Mahajanga.

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto hoe inona marina ity aretina ity. Efa andalam-panaovana fanadihadiana lalina kosa ireo mpitsabo mpikaroka sy manam-pahaizana samihafa.

80% isan-jaton’ireo nanaovana fitiliana tazomoka dia “négatif” avokoa raha ny fantatra, ary ireo izay “positif” indray dia tazo tsotra na “palu simple” no mahazo azy, araka ny fanazavanan’ny Médecin Chef Adjoint ao amin’ny BMH.  Nampanaovina test COVID-19 ihany koa moa ireo marary ka “négatif” ihany koa ny valiny hatreto.

Araka ny fanazavana ihany dia misy itovizana bebe kokoa amin’ny tazomoka. Araka izany, miroso amin’ny fanentanana ireo mponina mahakasika ny fiarovan-tena amin’ny tazomoka ireo tompon’andraikitra ao Mahajanga, isan’izany ny fanadiovana ny lobolobo manodidina ny trano fonenana ; ny fanotorana ireo rano miangona ; ny fampiasana lay misy ody moka rehefa matory amin’ny alina ; ny tsy fanariana rano eny rehetra eny izay misarika moka fa indrindra ihany koa ny fanatonana tobim-pahasalamana haingana raha misy soritr’aretina mampiahiahy.

Ankoatra ireo, nanentana ny amin’ny fanajan ny fahadiovan’ny sakafo amidy ihany koa ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana. Nomarihan’izy ireo fa mbola mitohy ny hetsika fandraofana ny entan’ireo mpivarotra minia tsy manara-dalàna ary amin’ny fotoana rehetra no anavana izany.

 

Lanja Ramiah