Vonona hiara-hiasa amin’ny Antenimierandoholona ny PSI Madagascar

19 Mar 2019

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana  ny Filohan’ny vaomiera  sosialy, koltoraly ary serasera   eo anivon’ny  Antenimierandoholona RAKOTOZAFY   Jean Martin  ny  talen’ny  serasera  avy amin’ny  Psi  Madagasikara  (Population Service International – Madagascar) Rtoa Nathalie RANDRIAMANGA , ny talata 19 martsa 2019  teto amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosy. Nanotrona ny Loholona RAKOTOZAFY Jean Martin moa ny Senatera RAMPARISON Luc sy RANDRIAMALALARISON François Xavier izay samy mpitsabo.

Nifantoka tamin’ny fangatahana fiaraha-miasa sy fampahafantarana ny tetik’asa  vaovao IMPACT izay  ho vatsian’ny  USAID ,  ny lahadiniky ny roa tonta. Aharitra  dimy  taona io  tetik’ asa io ary hanomboka  ny faha 12 Aprily 2019 izao izany. Nambaran’ity talen ‘ny PSI fa ity tetik’ asa ity dia  miompana  tanteraka amin’ny resaka  fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ady amin’ny tazo moka  ary   amin’ny fanabeazana  aizana. Ny tanjon’ny tetik’asa dia ny mba ahazoan’ny vahoaka Malagasy fanafody   araka ny tokony ho izy.

Nohararaotin’ny Loholona Rakotozafy Jean Martin moa ny fihaonana nanazavany ny andraikitry ny Antenimierandoholona. Ary amin’ny maha-mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Andrim-panjakana dia nanoro hevitra ny tenany ny mba hisian’ny fiaraha-miasan’ny PSI Madagasikara amin’ireo Kaominina. Na ny loholona RAMPARISON Luc na ny loholona RANDRIAMALALARISON François izay samy mitsabo moa dia samy nanome toro-hevitra ny PSI mba ampahomby ny tetik’asa. Firariana hoy ny Senatera RAMPARISON Luc raha mba misy tetik’asa ho an’ny zokiolona ataon’ny PSI-Madagasikara.

Nambaran’ ny talen’ny sampandrarahan’ny  serasera eo anivon’ny PSI moa  fa any amin’ny  distrika sy Kaominina any amin’ny  faritra amorontsiraka  no hifantohana sy hampiarana ny tetik’asa  ka ireo fanafody dia  aparitaka manerana ny fivarotam-panafody ambogadiny any amin’ny distrika  (PHA GE DIS) sy fivarotam-panafody  eny anivon’ny Kaominina (Pha  Ge Com).

Vonona ny hiara-hiasa amin’ny PSI ihany koa moa ny Antenimierandoholona araka ny nambaran’ny  Filohan’ny vaomiera  sosialy  , koltoraly ary serasera  RAKOTOZAFY   Jean Martin rehefa tonga ny fotoana ampiharana ny tetik’asa.