Toaka gasy mahatratra 600 litatra no tratra tao Mananjary

17 Apr 2019

Vehivavy 01 no voasambotry ny Kaomisarian’i Mananjary ny talata faha 16 aprily 2019 teo tao Andobosira distrikan’ny Mananjary noho ny fitondrana toaka gasy mahatratra 600 litatra.

Vaovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy toaka gasy avy any amin’ny faritra Vohitrandriana distrikan’ny Nosivarika ary kasaina hamidy ao amin’ny distrikan’ny Mananjary. Fantatra ihany koa fa Lakana no hitaomana ireo toaka gasy ireo mankao an-toerana ka tamin’izany indrindra no niambenan’ny polisy azy ireo teo amoron-drano. Noho izany vao teo am-pihantsonana dia nogiazan’ny polisy avy hatrany ilay lakana ary tratra tamin’izany ilay vehivavy voalaza fa tompon’entana. Ireo mpivoy ny lakana kosa vao nahita ny polisy dia nadositra avy hatrany.

Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky ity vehivavy ity fa azy ireo entana nogiazana ireo . Natolotra ny fampanoavana ny alarobia faha 17 aprily 2019 ny raharaha.