Tatitry ny CNIDH teny amin’ny Antenimierandoholona

26 May 2020

Toy ny  isan-taona dia tonga nanao tatitra momba ireo asa vita nandritra ny taona 2019 teto amin’ny Antenimierandoholona, androany    talata  faha 26 Mey 2019, ny CNIDH na Vaomiera-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona izay notarihin’ny Filohany Ramùatoa RABENORO Mireille.

Natomboka  tamin’ny fitanisana ireo tranga nisongadina nanomboka ny volana Martsa hatramin’ny volana Novambra 2019 izany tatitra izany: ka isan’izany  ny nahazahoana  ny CNIDH Madagasikara fankatovana (accreditation) teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny nahazoan’ny statut A:manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, avy amin’ny GANHRI(Global Alliance Of National Humain Rights Institions-Alliance Mondiale des InstitutionNationals de Droits de l’homme),teo ihany koa ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny tatitra  Examen Périodique Universel(EPU) tany amin’ny Firenena mikambana( filan-kevitra momba ny zon’olombelona Genève).

Nisy ihany koa ny famintinana sy ny fanamarihana nataon’ny CNIDH momba izany Examen Périodique Universel (EPU) izany. Teboka telo no tena nasongadina tamin’izany famintinana izany,dia ny fanatsarana ny toe-piainan’ny olona voafonja izay maro loatra,ny filàna ny fiezahana goavana amin’ny fanafoanana ny “ fitsaram-bahoaka ary ny zon’ny vehivavy ho velona satria vehivavy Malagasy miisa 575 isan-taona no maty noho ny fanalan-jaza.

Maro ny asa izay iandraiketan’ny CNIDH mandava-taona : isan’izany ny fitsidihana ny fonja, fandraisana anjara  amin’ny asan’ny Commission de Réforme du Sytème Pénal,fanadihadiana momba ny fifindra-monina anatiny,nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ho solombavambahoaka tamin’ny 27 Mey 2019….

Ezaka maro no nahitana vokany toy ny fiarovana ny zon’ny mpiasa:raharaha Air Madagascar,Moratsiazo Sambava, Manombo  Farafangana, polisy sasatsasany nihevitra azy ho tsy mati-manota.Mbola miandry ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo handray andraikitra amin’ireo faritra hafa, toy ny Andalatanosy,Ambovombe , Androy, Tsaratanana faritra Betsiboka, Vohilava Mananjary, ..

Zava-dehibe hoy izy ireo ny fitandroana ny zon’olombelona izao, ka ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fiara- miasan’ ny roa tonta.