Tatitry ny asam-pampandrosoana ataon’ny Governemanta

28 May 2020

Mahazoarivo, ny 28 May 2020 – Araky ny andininy faha-101 ao anatin’ny Lalàmpanorenana dia nanao tatitry asa vitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny Governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Raha tsiahivina dia nentina teo anivon’ity Andrim-panjakana ity ny taona 2019 ny fandaharan’asa ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana izay nampifanarahana tamin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, ka voarakitra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ankapobeny, ny lafiny sosialy, ny lafiny toekarena, ny fampandrosoana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny.

Eo amin’izay lafiny fampandrosoana izay dia nandrafitra ny teti-pivoaram-pirenena ka nametraka ny “Plan Emergence Madagascar” ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina fa noho ny krizy ara-pahasalamana izay misy maneran-tany ary mahavoakasika an’i Madagasikara dia tsy maintsy nasiam-panovana ny andininy sasantsasany ao anatin’izany.

Miezaka hatrany ny mpitondra fanjakana mijery ny fomba rehetra hahafahana miatrika ny fiantrainan’ny krizy ara-pahasalamana, ka noho izany dia apetraka eto amin’ny firenena ny drafitra iray marolafy na “Plan multi-sectoriel d’urgence”, izay misandrahaka amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Rehefa voafehy ny lafiny fahamehana dia miroso amin’ny “relance multi-sectoriel” izay mahavoakasika sehatra hafa isika fa tsy ny lafiny sosialy sy toekarena fotsiny ihany, voakasik’izany ny fanarenana ny firenena eo amin’ny seha-pihariana rehetra fa indrindra ny fametrahana ny firenena tsara tantana, ny demokrasia ary ny firenena tan-dalàna.

Nohamafisin’ny Praiminisitra anefa fa ny fampandrosoana ny Firenena dia miankina amin’ny fivelaran’ny distrika tsirairay ka tsy maintsy ho hita taratra manerana ireo distrika 119 ny asam-pampandrosoana izay mifototra amin’ny fahasalamana, ny fampanana rano fisotro madio, ny fanabeazana, ny fampianarana ambony, ary ireo fotodrafitrasa maro isan-karazany (angovo, lalana, fifandraisan-davitra, sns). Lalantsaina vaovao, hoy hatrany izy, no napetraky ny Filoham-pirenena dia ny fijerena ireny distrika izay tratra aoriana tao anatin’ny taona maro. Ka misokatra amin’ny fifanantonana sy fifampiresahana ny Praiminisitra mba ho fampandrosoana ny faritra rehetra misy eto amintsika satria ny fitsinjaram-pahefana dia ho atao fanohitra iray lehibe hahafahana mampandroso ny firenena.

Mikasika ny vidin-tsolika izay matetika miteraka resabe satria misy ny fidinan’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nitondra fanazavana ny Praiminisitra fa “mbola betsaka ny vola tokony aloan’ny fanjakana amin’ireo orinasa mpandrahara amin’io sehatra io, ka ny elanelana eo amin’ny “prix à la pompe” sy ny “prix de référence” no anefantsika izany vola tokony aloa izany. Tsy maintsy mitsinjo ny ampitso isika ary io fitazonam-bidy misy amin’izao io no ahafahana mamehy ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika rehefa miakatra ny vidin-tsolika maneran-tany”.

Notsiahivin’ny Praiminisitra ihany koa fa fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana ny fanamorana ny fifanantonana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Ministera misahana ny toekarena sy ny fitantanam-bola hisorohana ny mety ho fidangan’ny vidim-piainana vokatr’izao krizy maneran-tany izao ary manao izay ezaka rehetra azo atao ny fitondram-panjakana mba hitazonana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro fa indrindra ny vidin-tsolika.

Marihina fa mbola mitohy hatramin’ny 09 Jona 2020 izao fifanankalozanan’ny Governemanta sy ny Parlemantera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.