Santabary 2020: 540000 taonina no hojinjaina ao Alaotra

10 May 2020

Faritra sompitra ara-bary i Alaotra Mangoro ka manana andraikitra stratejika amin’ny famatsiana sakafo ny Malagasy. Nahomby ireo ezaka natao ho famerenana ny famokarana taorian’ny tondra-drano goavana nianjady tamin’ny faritra. Tsara ny vokatra, vary akotry 540 000 taonina no antenaina amin’ity taona ity. Ary mpandidy vary maherin’ny 1 600 no efa nafarana avy any Vakinankaratra.

Tao amin’ny kaominina Ambohitrarivo, distrika Amparafaravola, no nanamarihan’ny MAEP ny Santabary 2020. Nambaran’Andriamatoa Minisitra RANARIVELO Lucien fa hoapetraka atsy ho atsy ny « stock stratégique » izay iaraha miasa akaiky amin’ireo mpanangom-bokatra ary samy ho fitsinjovina na ny mpamokatra na ny mpanjifa.

Ankoatra izay, aro tava miisa 25 000 avy amin’ny Fitondram-panjakana no notolorana ny Faritra Alaotra. Ny iray alina amin’izany dia homena ireo mpanapaka vary. Nampahatsiahivina tamin’ireo tompon’andraikitra maro tao amin’ny faritra Alaotra ireo fepetra tsy maintsy raisina iarovana ny ain’ny be sy ny maro amin’ny fihanaky ny coronavirus, ary ny maha zava-dehibe ny fitsanganan’ny Komity Loharano eraky ny fokontany.