Olona 2000 ahiana no mararin’ny Dengue any Mahajanga

6 May 2020

Mpianatra avy any Nosy Be no voalaza fa nitondra ilay valan’aretina Dengue tao Mahajanga nanomboka ny volana Janoary 2020. Ankehitriny, miisa 2000 eo ho eo ny olona ahina ho tratran’ny Dengue any Mahajanga, hoy ny Talen-kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Dr Lamina Arthur.

Nanotrona ireo mambran’ny governemanta iraky ny Filoha dia ny Ministry ny Raharaham-bahiny sy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa tamin’ny fizarana faobe lay sy arovava ho an’ireo olona voan’ny tazomahery Dengue ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana. Teny an-toerana ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rahantanirina Lalao, notron’ireo olom-panjakana avy ao an-toerana.

Tao amin’ny CSI Mahabibo, CSB II Antanimasaja, CSB II Tanambao Sotema ary tokan-trano iray tao Antanimalandy no nizarana ireo lay sy arovava ireo. Natao izao mba hisorohana ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina Dengue any Mahajanga.

Tsy tokony hatahotra ny Dengue ny vahoaka hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Vao mahatsapa manakotsako sy mangotsokotsoka ary misy tazo kosa ny vatana dia tokony manantona avy hatrany ny tobi-pahasalamana. Azo sitranina tsara ny Dengue ary maimaimpona ny fitsaboana azy eny amin’ny tobi-pahasalamana, hoy hatrany izy.

Notsiahivin’ny Ministry ny Raharaham-bahiny fa mifindra amin’ny alàlan’ny kaikitry ny moka ny Dengue. Ny zava-dehibe kosa nefa hoy izy dia betsaka ny olona mihazakazaka manantona avy hatrany ny tobi-pahasalamana raha vao tsy tsaratsara.

 

Mika R.