Mahajanga : hampiantrano ny loabary andasy mikasika ny Angovo

10 Apr 2019

Hampiantrano ny loabary andasy mikasika ny Angovo ny  Tanànan’i Mahajanga ny 18 sy 19 Aprily ho avy izao. Hiatrehana izay, dia nanatanteraka fivoriana fampahafantarana sy fanomanana ny Faritra Boeny sy ny GDPEM (Groupement Des Professionnels en Energie à Madagascar) ny Talata 09 Aprily 2019.

Ny Faritra Boeny, ny Foibem-paritry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoran’afo eto Boeny, ny Jirama ary ny GDPEM no nifarimbona nampahafantatra votoatin’io loabary andasy io mba hahafahan’ny rehetra handray anjara sy mitondra vahaolana hanatsarana ny famokarana sy fitsinjarana Angovo ary hanovoizana toe-tsaina vaovao mifandraika amin’izay.

Miara-mikaondoha ny mpiara-miombon-antoka, ny tanora taninketsa sy ny fanjakana ary ny sehatra tsy miankina amin’ny fametrahana paikady sy vahaolana iarahana, mety amin’ny fampandrosoana ny faritra Boeny. Izay no tanjona hoy ny lehiben’ny Kabinetran’ny Faritra, Atoa Todivelo Cyrille.

Lohahevitra telo no hovoizina amin’io loabary andasy io: “Ny Angovo, sehatr’asa vaovao omena vahana eo anivon’ny fampianarana”, “Ny kalitao takiana eo amin’ny fitrandrahana Angovo” ary ny fahatelo “Ny  Angovo, fanoitra voalohany ho an’ny fampandrosoana”.

Tranoheva miisa 15 no hampiranty ny vokatra, an-tontankevitra sy tetik’asa ary fitaovana isan-karazany mifandraika amin’ny Angovo. Anisan’ny hampirantina amin’io fotoana io ohatra ny tetik’asa Angovo azo amin’ny alàlan’ny herin’ny masoandro izay afaka mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 20 Méga Wattts.

Marihina fa 09 hatramin’ny 10 Méga Watts no vokatra atolotry ny JIRAMA eto an-toerana amin’izao fotoana raha  eo amin’ny 14 Méga Watts  eo ny filan’ny mponina eto Mahajanga.

Ankoatra izay dia hisy ihany koa amin’io fotoana io tetik’asa fanapariahana Kits solaires miisa 5000, amin’ny tanjany samy hafa sy amin’ny vidiny takatry ny tokantrano rehetra.

Ny JIRAMA Mahajanga dia nampahafantatra ny fisian’ny tetik’asa “Hybridation d’énergie” na fampivadiana ny vokatra herin’aratra avy amin’ny “groupe électrogène” sy ny avy amin’ny herin’ny masoandro, izay haparitaka eto an-toerana rahatrizay tontosa.