Lany fanindroany teny amin’ny Antenimierandoholona ny PLFR 2020

3 Jul 2020

Nolanian’ny teto anivon’ny Antenimieradoholona fanindroany ny volavolan-dalàna laharana faha 009/2020 tamin’ny 13 jona 2020 mikasika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2020, androany alakamisy 02 jolay 2020.

Nankasitraka ny Antenimierampirenena ny mpikambana eto anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ny fandanian’izy ireo ny fanitsiana izay natolotra tamin’iny volavolan-dalàna iny.Teo ampamaranana dia notsindrian’ ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovaofa fampidirina ny sora-bola izay tokony ampidirina ao anatin’ny tetibolan’ny Antenimierandoholona no natao tamin’iny fanitsiana an’iny volavolan-dalàna iny.

Marihina fa nandritra ny fandalovan’io volavolan-dalàna io voalohany teto amin’ny Antenimierandoholona dia maro ireo fanontaniana sy fanamarihana izay nataon’ireo Loholon’i Madagasikara.Anisan’izany ny tokony hampangaraharahana ny tsenam-baro-panjakana, ny tokony hanefana ny trosa izay nataon’ny fanjakana tamin’ireo « compagnie pétrolière » amin’ilay « provision pour investissement », izay midangana be 1000 miliara mahery eo ho eo no tsy fantatra ny fampiasana azy, mba afahana mampihena ny halafon’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’izao fiatraikan’ny valan’aretina covid-19 izao ; ny tokony hampitomboana ny fitaovana ampiasain’ireo toeram-pitsaboana manerana ny Nosy hiatrehana an’io valan’aretina io amin’ilay « budget d’investissement » ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamana izay nolazain’ireo Loholona ,raha tsy ampy dia tokony ampiana. Teo ihany koa ny tokony hanohanana ireo orinasa misehatra amin’ny fizahantany izay voadona mafy amin’izao fotoana izao, ny tokony hitsinjovana ireo mpiasa tsy miasa noho ny fikantonan’ireo orinasa vokatr’ity valan’aretina ity. Ho fitsinjovana ny hoavin’ny vahoaka malagasy izay 80% misehatra amin’ny fambolena dia tokony ampiana ny tetibola natokana ho an’ny Minisiteran’ny fambolena , ny fiompiana ary ny jono fa tsy nahena raha ny fanazavan’izy ireo.

Ankoatr’ireo dia nisy ihany koa ireo fangataham-panazavana nataon’ireo Loholon’i Madagasikara tamin’ny vontoatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibola-panjakana ity, toy ny fiakaran’ny « service de la dette » izay niakatra 500 miliara ariary izay tokony hidina raha tokony ho izy hoy izy ireo, ny fiakaran’ny tetibola natokana ho an’ny BNGRC, ny fisian’ny olona 1328 isa izay fiakaran’ny isan’ny mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny vola, ny fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ireo toeram-pivarotam-panafody (« pharmacie »), ny momba ny « avance spéciale » sy ny « finance exceptionnel » voafaritra ao antin’io volavolan-dalàna io.

Manoloana ireo rehetra ireo dia nambaran’Atoa Randriamandrato Richard, Minisitry ny toe-karena sy ny vola fa noho ny fandaminana dia tsy maintsy hisy ny “audit” hatao vao mandoa ny trosan’ireo “ compagnie pétrolière » ireo ary ho an’ireo « provision pour investissement » dia natokana hijerevana ny hamehana ara-pahasalamana , amin’ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina dia tsy manana fahafahana hoy izy ny fanjakana ny amin’izany ka nahatonga ny fanjakana nanapa-kevitra ny hanaparitahana ny tsenam-baro-panjakana any amin’ny distrika manerana an’i Madagasikara, ho an’ny tetibola natokana ho an’ny BNGRC dia nambarany fa nisy ny fandaminana amin’ireo fandaniana sy filàna maro samihafa amin’ny fiadiana amin’ny COVID 19, ny ampahan’ny fitantanana dia andraiketin’ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny vola ary ny ampahany kosa dia manana fahaleovantena manonkana ny BNGRC amin’ny fitantanana ny tetibolany. Mikasika ireo fitomboana mpiasa 1328 hita eo amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny vola dia nohazavain’Atoa Minisitra fa noho ny fanambarana ny Minisitera roa dia tsy maintsy misy ny fandaminana atao eo anivon’ny Minisitera ary nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera fa tsy mpiasa vaovao ireo, nambaran’ity farany ihany koa fa ny vola rehetra azo natokana ho amin’ny fiantrehana ny valan’aretina COVID 19, mba hisian’ny fifandanjana amin’ity tetibola-panjakana ity dia natao any amin’ny vola miditra (« recette») avokoa ireo.