Lany, fa nasiam-panitsiana, ny lalàna mifehy ny serasera

19 Jun 2020

Lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona androany zoma 19 jona 2020, nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina, ny Volavolan-dalàna laharana faha-004/ 2019 tamin’ny 02 oktobra 2019 izay mikasika ny lalàna mifehy ny Serasera .

Miisa sivy (9) ireo fanitsiana noentina teo anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ity volavolan-dalàna. Anisan’izany ny fandrarana ny famoahan’ny mpanao gazety ny adihevitra , ny tatitra na zavatra hafa tapaka tamina fivoriana tsy azo atrehin’ny besinimaro eo anivon’ireo Andrimpanjakanan’ny Repoblika , fanovana izay nampidirina tao amin’ny andininy fito vaovao, andininy faha 6 amin’io volavolan-dalàna io. Teo ihany koa ny fanovàna izay nampidirana tao amin’ny andininy faha 55-bis vaovao andininy faha 23 izay mamaritra ny fomba firafitra sy fomba fiasan’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety izay nankatoavan’ireo Loholon’i Madagasikara fa fidiana amin’ireo mpanao gazety mpikambana voasoratra ao ihany ireo mpikambana mandrafitra ny holafitry ny Mpanao gazety, izany moa no natao mba hampirindra ny asa sahanina ao.

Ny minisitry Serasera sy ny Kolotsaina Rakotondrazafy Andriantongarivo Lalatiana dia nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny tao anivon’ny Antenimierandoholona ary nankasitraka ihany koa ireo mpanao gazety rehetra tamin’ny nanomezan’izy ireo, ireo fitakiana sy faniriana izay noraiketina ao anatin’io volavolan-dalàna io, mba hoentina hanatsarana ny asa fanaovan-gazety. Nambarany fa fakan-kevitra nataon’ny Minisitera tamin’ireo mpanao gazety isam-paritra no nahafahana nandrafitra io volavolan-dalàna io ary ny favaozana ity lalàna ity dia mba ho fiantohana ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ny fametrahana ny haitao avo lenta amin’ny asa fanaovan-gazety ary ny fahafahana mivelatra amin’ny asa fanaovan-gazety satria tokoa isika hoy izy dia miaina amin’ny tany demokratika .

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona kosa tetsy andaniny dia nanambara fa misy fetrany ny fahalalahana mamoaka vaovao, fahalalahana miteny ary ny fahalalahana maneho hevitra izay fototra iorenan’ny Demokrasia amina firenena iray. Nanentana ny mpanao gazety izy mba ho ao anatin’ny fahaiza-manao sy ao anatin’ny fifanajana tanteraka no anaovana izany asa izany.