Fihaonan’ ny minisitry ny toekarena sy ny loholon’i Madagasikara

10 Jun 2020

Ny tolakandron’ ny talata 09 jiona  dia ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Randriamandrato Richard sy ny mpiara-miasa aminy no nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara teto amin’ny Lapan’Anosikely. Namelabelatra sy nanao tatitra fohifohy ny programan’asa efa vita sy ireo izay mbola ho tanterahina.
Nandritra io tatitra io no nanambarany fa vanim-potoana tena manahirana hoy izy , ny vanim-potoana iainana amin’izao fotoana izao, hisy ny” recession mondiale”atsy ho atsy ary misy fiantraikany amin’ny hari-karena faobe amin’ity taona 2020 ity izany, satria hoy izy nanomboka ny volana martsa dia nihena 0.8% izany raha toa ka novinavinaina ho 5.5% tao anatin’ny LFI 2020.

Nisy ihany koa ny fihenana tamin’ny vokatra vanille, ny textile, ny harena ankibon’ny tany raha oharina tamin’ny taona 2019, nihena ihany koa ny fanamboaran-dalana, ny lafiny fizahan-tany hoy izy dia anisan’ireo voa mafy tokoa. Na dia eo aza ireo olana rehetra ireo dia misy ihany ny “opportunité”.

Tsy nohadinoin’ny Ministra ihany koa ny niresaka ny hanampiana ireo banky madinika sy ny orinasa madinika. Teo ihany koa moa ny firesahana momba ireo fanampiana avy any ivelany hiatrehana ny Covid-19.

Amin’ny maha mpisolotena ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy ny Antenimierandoholona dia saika niompana amin’ny fanarenana ny toe-karena ao aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao ny fanontaniana napetrak’ireo Loholona. Na izany aza anefa, amin’ny maha fakan-kevitry ny Governemanta ny Antenimierandoholona dia nisy ihany koa ireo toro-hevitra vitsivitsy izay navoitra.