Fianarantsoa : ahiana ho tapaka tanteraka ny famatsian-drano afaka telo andro

24 Nov 2020

Vokatry ny fahapotehan’ny ala dia mihantona ny rotsak’orana ary efa ritra tanteraka ny farihy izay mamatsy rano ny tananan’i Fianarantsoa. Ringana vokatry ny doro tanety sy ny fitrandrahana tsy  ara-dalàna avokoa ny ala manodidina rehetra ka miteraka izany fahavoazana lehibe izany.

Nidina tany an-toerana ny Ministitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy narahin’ireo teknisianina avy ato amin’ny Ministera niaraka tamin’ny masoivohon’i Soisa miasa eto Madagasikara nijery ifotony ny zavamisy. Nisy ny fanaovana sidina tao Fianarantsoa sy ny manodidina niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra, ny Ben’ny Tanàna ny Ministra ny alatsinainy 22 Novambra ka tamin’izany no nahitana fa ringana avokoa ireo ala manodidina rehetra ankoatr’ireo ala izay misy mitantana toy ny ao Mandaratsy izay hita fa tena mbola maitso tokoa. Nidina tany Mandaratsy ny delegasiona ny talata 23 novambra ary nihazo nijery ny zavamisy tao amin’ny farihin’i Antarambiby.

Efa ritra tanteraka ny farihy ary tsy mahasahana ny famatsian-drano ao Fianarantsoa ka tsy maintsy nalaina ny rano ao amin’ny Bassin farany izay mbola misy rano hanampiana ny rano ao amin’ity farihy ity. Ato anatin’ny 3 andro izany, raha toa ka mbola tsy mirotsaka ny orana, dia ho ritra tanteraka ity farihy ity, araka ny nambaran’ireo teknisianina avy amin’ny Jirama.

Araka ny fantatra dia tototry ny fasika ny farihin’Antarambiby ka tsy mitahiry rano araka ny tokony ho izy intsony vokatry ny fahapotehan’ny ala manodidina azy.

Nanao antso avo araka izany ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nomarihany fa izao zava-mitranga izao dia vokatry ny doro-tanety sy ny fitrandrahana tsy ara-dalana nisesisesy nandritra ny taona maro. Mifampiankina hoy izy ny ala sy ny rano ka rehefa potika ny ala dia izao ny vokany. « Efa miaina tanteraka ny vokadratsy ny fiovan’ny toetrandro isika ary  manerana an’i Madagasikara no misy izao tranga tsy fahampian-drano izao fa tsy any amin’ny Faritra Androy irery ka mila ny fandraisan’andraikitry ny rehetra », araka ny nambaran’ny Minisitra Raharinirina Baomiavotse Vahinala.

Nihaona tamin’ny OMC ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Ministra nijery ny vahaolana maika ka natsangana ny Task force hisahana manokana ny sehatry ny tontolo iainana ao amin’ny Faritra izay tarihin’ny Governoran’ny Faritra. Hamafisina ny ady amin’ny doro tanety sy ny fitrandrahana tsy ara-dalana ny ala ary tsy hananana antra ireo rehetra izay tratra mbola minia manao izany.

Nitsidika ny ala ao Mandaratsy izay tantanin’ny LSB na Les Scieries du Betsileo ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoa Lovainjafy ny Alatsinainy 23 Novambra. Ala sapin sy kininina mirefy 3700 Ha  no tantanin’izy ireo izay hajariana sy hanatanterahana fitrandrahana. Marihana fa ny LSB no mamatsy hazo an’i Fianarantsoa ary tonga hatramin’ny Faritra hafa saingy mbola maitso mavana ny toerana noho ny fitantanana mirindra sy maharitra izay ampiharin’izy ireo. Miara miasa amin’ireo Fokontany manodidina ny ala ny LSB ary ireo mponina manodidina ireo no misahana ny fiambenana ny ala, ny fambolen-kazo ary ny famokarana ny akora azo avy amin’ny hazo vokarin’ny orinasa ary mandray karama isam-bolana izy ireo ka antony mahakely ny tsindry mianjady amin’ity ala ity. Mamokatra briquettes azo avy amin’ny ratsan-kazo ihany koa ny LSB ka mamatsy ireo orinasa vaventy mba tsy hampiasan’izy ireo kitay intsony.

Modely iray amin’ny fitantanana lovainjafy ny ala eto amintsika ity ao Mandaratsy ity. Afaka miara-dalana tsara ny sehatry ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.