Faritra Boeny : Trano fianarana miisa 16 no voatsangana

13 Apr 2019

Trano fianarana ho an’ny CEG miisa 14, lycée iray miaraka amin’ny tranon’ny kilasy mandry zazavavy mahazaka mpianatra 4,  samy miampy fampitaovana, trano fivoahana sy vovon-drano ary zaridaina fambolena anana, ary làlan-tany (pistes rurales) mirefy 45km. Ireo no vokatry ny fampiasana ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana ifotony andiany voalohany na FDL (Fonds de Développement Local) teto amin’ny faritra Boeny.

Tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny FDL, Rtoa Raharinjatovo Hanitra  raha nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy V. Clavelah izy sy ny delegasiona FDL ny Alakamisy 11 Aprily 2019 tao amin’ny Bloc Administratif Ampisikina Mahajanga.

Andiany voalohany tamin’ny tahirim-bola FDL mitentina 11 tapitrisa Euros no nanaovana ireo foto-drafitr’asa ireo. Kaomina miisa 14 sy ireo Fivondronamben’ny Kaomina ao amin’ny OPCI (Organisme public de coopération intercommunale) eto Boeny no nampiasana io FDL andiany voalohany io.

Notsiahivin-Rtoa DG fa ny FDL dia famatsiam-bola avy amin’ny Coopération Allemande, ka ny Foibe jeneralin’ny FDL izay eo ambany fiahin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana no mitantana azy. Boeny sy Diana no faritra misitraka FDL hatreto. Eny amin’ny Maison des Elus, Mahavoky Avaratra no misy ny biraon’ny FDL eto Boeny izay tantanin’Atoa Johanesa Fernand. Notsipihin-dRtoa DG fa tsy ny ministera na ny FDL foibe sy faritra nefa no misafidy ny toerana sy ny foto-drafitr’asa hatao eny ifotony fa ny mponina no mamaritra ny filany ka miainga amin’izay ny famatsian’ny FDL ny tetik’asa.

Fanaraha-maso sy fanjohina

Antoandian’ny delegasiona FDL teto Boeny ny fanaraha-maso sy fanjohina ifotony ireo foto-drafitr’asa rehetra ireo ny Alarobia 10  sy Alakamisy 11 Aprily lasa teo.   Anisan’izany ny trano fianarana lehibe ahitana efitra telo, trano fidiovana ary vovon-drano sy zaridaina ao amin’ny CEG Bekininy, kaomin’i Betsako, distrikan’i Mahajanga II.

40 000 Euros no teti-bidin’ireo foto-drafitr’asa ireo sy fampitaovana azy. Ny kilasy faha-6 sy faha-3 no hisitraka izany, izay samy efa misy tables-bancs miisa 30 avy isaky ny efitra. Miisa 172 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy faha-6 hatramin’ny faha-3 ao amin’ny CEG Bekininy.

FDL II

Hanomboka ny Septambra 2019 ny andiany faharoa amin’ny FDL ary hitombo 16 tapitrisa Euros izany. Ny Kaomina rehetra eto Boeny, miisa 45, ankoatra an’i Mahajanga renivohitra, no hisitraka izany famatsiam-bola faharoa izany. Mivelatra amin’ny sehatra maro ny tetik’asa fampandrosoana ifotony ho vatsiana. Anisan’ny nangatahin’ny Lehiben’ny faritra mpisolotoerana famatsiambola FDL ny fampiharana ny Dinan’i Boeny Miray Dia izay vao nasiam-panavaozana, ho fanatsarana ny fandriampahalemana aty amin’ny faritra.

Mba hisian’ny fampandrosoana maharitra dia nametraka komity misahana ny fanaraha-maso sy ny fikojakojana ireo foto-drafitr’asa vaovao vita rehetra ny Ministera.